Mahatonga faharefoana ny tsy fananana fidiram-bola azo antoka, indrindra tsy manana fahaleovantena ara-bola, na ho an’ny tanora na ho an’ny efa manana tokantrano. Mahatonga fiankinandoha amin’ny hafa izany ka lasa vesatra ho an’ny manodidina. “Miteraka fanararaotana ihany koa rehefa tsy manana fahaleovantena ara-bola. Maro ireo tanora malagasy no lasibatry ny […]
Taratra
Aretina androbe: Tsy mosavy fa azo sitranina
Tsy asan’ny maizina na mosavy ny aretina androbe fa azo sitranina tsara. Afaka manatona mpitsabo ny marary raha vao misy fambara. Efa nahazo fiofanana ny eny amin’ny CSB. Misy ny fanafody. “Noho ny fiheveran’ny fiarahamonina fa asan’ny ratsy na avy amin’ny mosavy ny aretina androbe, miafina ireo fianakavina manana havana […]
VAOVAO TAMBATRA
Efa nampidinina eo amoron-drano ny takelaby (bac), hamerenana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-6. Voakasik’izany ny eo amin’ny fivilian-dalana Reniranon’Ifasy (PK 537) sy Mahavavy (PK 568). Mialoha ny hampiasana azy, eo am- pametrahana ny toerana misy ny mpamily (cabine de pilotage). Efa any an-toerana koa ny tomponandraikitra hisahana ny fampandehanana azy […]
Bombetoka-Belemboka.: Faritra arovana vaovao, mahaliana ny mpizahatany
Natao ny 20 janoary 2025 teo, tany Mahajanga, ny fampahafantarana manokana ny lanjan’ny fizahantany any amin’ny faritra arovana vaovao (NAP) Bombetoka-Belemboka. Nikarakara ny fotoana ny Ofisim-paritry ny fizahantany Boeny (ORTB). Mampiavaka azy ny fananany ala honko, sy zavatra samihafa azo tsidihina. Toerana 30 km miala an’i Mahajanga, amin’ny RN4. Ahitana […]
Angovo MAITSO: Hofanina ireo vehivavy
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PNBC Madagasikara ny fanofanana ny vehivavy 30 hatramin’ny 50 taona any Tsiafajavona sy Ambatolampy. Voakasik’izany ny fikirakirana, fanamboarana ary fametahana ny fitaovana manome jiro avy amin’ny masoandro. Ampianarina koa izy ireo hahaleo tena ara-bola sy ara-pivelomana. Natao ny 7 febroary teo, teto Antananarivo, ny fihaonana tamin’ny […]