Taratra

Dr Andriamiharivolamena Zavamanitra : « Misy mpanao politika matahotra ny antoko Avi »

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Asa vita no ifampitsarana (Avi), ny Dr An­driamiharivolamena Zavama­nitra fa tafahoatra ny fanenjehana azy ireo tato ho ato. Nitondra valin-kafatra manoloana izany ny tenany, omaly. Nohitsiny fa efa fantatra ireo mpanao politika ao ambadika, manaratsy ny filoham-boninahitry ny antoko Avi. Mpanao politika sy antoko efa nampianay […]

Vahaolana haingana

  Asa aloha raha ahavaha olana izy ity na ahoana ? Vita hatreo aloha ny fanambatambazana ny mpamatsy vola mahazatra. Ny resaka mahakasika manokana ny angovo no tiana asian-dresaka. Efa nahoraka sy narantiranty tamin’ny tambajotran-tserasera omaly, fa tonga ny sambo, nitatitra solika ho an’ny orinasa Jirama, Madagasikara. Nomena alalana ny […]

Kly Randrianirina Michaël : « Omena fankasitrahana ny mpiasa nahavita be »

Mahazo fankasitrahana izay mendrika sy miasa tsara, hoy ny Filohan’ny fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly. Nandritra ny fandraisana ilay zaza varira avy any Vaingandrano no nanambarany izany. Nigadona teto Antana­narivo, omaly, ilay zaza varira nisy saika hivarotra tany Vaingandrano ary noraisin’ny filohan’ny Fana­vaozana, ny kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny […]

TSELATRA

Natomboka omaly ny fananganana toby ho an’ny zandarimaria hiadiana hanakaiky ny vahoaka ao Andraikiba. Birao natao hiasan’ny zandary sy hanampy ny vahoaka hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana izany. Lehilahy vao nivoaka ny fonja tratra nangalatra, tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Zava-pisotro tao amin’ny toeram-pisotroana iray no nalainy nandritra ny fahatapahan-jiro. Noraisim-potsiny teo am-panatanterahana […]

Ambohitrabiby-Avaradrano: Vehivavy hita faty tanaty rano teo Ambatoboka

Renim-pianakaviana iray maty an-drano tao amin’ny fokontany Ambatoboka, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’ Avaradrano, omaly. Niala ny trano fonenany vao maraina ity ramatoa ity, araka ny fanazavana voarain’ny zandary tamin’ny fianakaviany. Nampandrenesin’ny fianakavian’ilay tra-doza ny mpitandro filaminana. Hita natsingevan’ny rano tao ambanin’ny tetezana ao Ambatoboka ilay renim-pianakaviana. Nidina ifotony nanao fizahana ny […]