Taratra

Volana aogositra : Be fiara mivezivezy ny RN7, RN4, RN2…

Ambony ny tahan’ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara manerana ny Nosy rehefa volana aogositra. Sa­tria, fotoam-pialantsasatra sy fanaovana hetsika toy ny zaikabe, filasiana, hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena maro raha ny tombana nataon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT). Manodidina ny 340 ireo fiara mpitatitra mitondra mpa­n­­deha maherin’ny 6 460 isa miainga […]

INDRAY MIJERY

Mampahatsiahy ny didy navoakan’ny prefekto­ran’ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny amin’ny tokony hikatonan’ireo toeram-pisotroana rehetra amin’ny 9 ora alina. Voakasik’izany avokoa na ireo anaty trano na ireo eny amoron-dalana. Ho fitandroana ny fandriampahalemana sy ho fitonian’ny manodidina izany. Manatanteraka iray volana ho an’ny fandoavan-ketra ny CUA. Manentana ireo mponina […]

Belalanda-Toliara II : Tokantrano 24 000 hisitraka sakafo

Nanolotra vary 300t, tsaramaso 25t ary menaka 11 000 l ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany, omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC Andrai­narivo. Isam-bolana ny mpikambana ao amin’ny fiangonana dia manokana andro iray hifadian-kanina, ny vola tokony nividianana sakafo no arotsaka amin’ny kitapom-bola iraisana ahazoana manao hetsika fanampiana […]

Fampianarana teknika: Ampifanarahana amin’ny filan’ny faritra ny fiofanana atao

Fanamby lehibe ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny hitondra fanavaozana misongadina sy ahitam-bokatra haingana hidiran’ny tanora amin’ny sehatrasa. Maro ny lohahevitra hodinihina mandritra ny fihaonambe any Mahajanga. Tanterahina ao amin’ny faritra Boeny, sekoly St Gabriel ny zaikabe ho an’ny fanatsarana ny fam­pianarana teknika sy fanofanana arakasa. Manokatra […]

TARATRY ny KANTO

Tsy tazana loatra ny mpamorona. Olana efa ela io, satria, sady tsy voateny no tsy voasoratra no tsy… eny ambony sehatra ry zareo. Ho an’ny zavakanto hafa tahaka ny sary hosodoko, mbola hita eny an-joron’ny tabilao ihany ny anaran’ilay nanao ny sary. Lesoka mila harenina io tsy fahatazanana ny mpamorona […]