Nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana ny any Andohan’Ilakaka, omaly. Tsipahin’izy ireo ny nanafoanan’ny fitsarana ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna tamin’ny birao fandatsaham-bato (BV) miisa 19 amin’ireo BV 34. “Tsy manaiky ny hoverezin-jo. Mitarika amin’ny elanelana 738 ny kandidànay ka lasa mpandresy indray ny Irmar izao”, hoy izy ireo. Niarahaba ny eo anivon’ny […]
Taratra
Depiote Imbiki Herilaza : “Tsy mitondra antsika lavitra ny korontana”
“Aoka mba hitondra soso-kevitra fampandrosoana an’i Madagasikara ao anatin’ny filaminana. Satria, tsy mitondra antsika lavitra ny korontana” hoy ny depiote voafidy tany Sainte Marie tamin’ny anaran’ny Irmar, Imbiki Herilaza, niditra tao amin’ny RNM, omaly. Tsy tokony ho fitsikerana befahatany no atao. Raha misy ny andraikitra entin’ny fanjakana, ka hitantsika fa […]
Hafakely
Raha misy firenena sy mpitondra hafakely dia ity Madagasikara malalantsika ity. Tsy mbola nisy angamba mpiasam-panjakana nahazo tambiny mitentina 97 tapitrisa Ariary isan’olona ho mari-pankasitrahana izany. Fa nisy tokoa izany amin’izao maha filohan’ny Repoblika an-dRajoelina Andry, an’i Madagasikara, izao. Efa-dahy monja no nisantatra izany isanisany. Manginy fotsiny ny 25 […]
PDS Antananarivo, Alexandre Georget : “Nahavita isika na fohy aza ny fotoana”
Nanao tatitra ny asa vitany tamin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo ny PDS, Alexandre Georget. Nahatsiaro ho afapo ny tenany na teo aza ny fahafohizan’ny fotoana. «Azo atao tsara ny mampandroso ny tanànan’Antananarivo. Nisy ny ezaka vita ary betsaka koa anefa ny tsy tanteraka. Fohy rahateo ny fotoana roa volana nitantanana», hoy […]
TSELATRA
Efa-dahy tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay mpiasa amina tetikasa miady amin’ny hanohanana tao Ikongo, voasambotry ny zandary, afakomaly. Mitohy ny fikarohana ireo namany izay niara-nanao io vono olona io. Marihina, nendrikendrehina ho dahalo io olona matin’ny fitsaram-bahoaka io sy ny mpampianatra iray namany. Tovolahy iray hita faty teo amoron’ny reniranon’i Manambondro, […]