Sabotsy 26 septambra ho avy izao, manomboka amin’ny 2ora sy sasany tolakandro. Hanolotra “Antsam-piderana”, ao amin’ny FJKM Ankaraobaton’i Kristy fehizoro, ny tarika Rojo Ny Avo amin’ny endriny feno. Samy hovetsoin’i Rojo Ny Avo eny an-toerana avokoa ireo hira nahafantarana azy hatramin’ izay toy ny “Vita sedra”, “Voky fitahiana” miampy ireo […]
Taratra
Vola sy Noro sy Ny Voanio : Azo antoka ny fitohizan’ny kanto
Ny tany ambadiky ny 40 taona lasa no nomena aina… Tafaverina soa aman-tsara. Nanakoako indray ireo hira nandrenesana ny feon’i Vola sy Noro. Tahaka izany ihany koa ny an’ny tarika Ny Voanio. «Tafaray samy tia », fampisehoana rindran-kira an-tsehatra niarahana tamin’ny tarika Vola sy Noro sy ny tarika Ny Voanio, […]
VAOVAO TAMBATRA
Manana taratasy fahazoan-dalana hitrandraka volamena ny orinasa APC Mining. Nanao fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny orinasa sinoa iray izy, mitrandraka volamena any amin’ny distrika Tsaratanàna. Izay no mahatonga ireo teratany sinoa mitrandraka any an-toerana, ankehitriny. Araka ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany, tsy maintsy mifanaraka amin’ny kaominina izy ireo amin’ny […]
ABC Domino : Hifantoka amin’ny niomerika ny tanora
Notokanana ny 18 septambra teo, tany Toliara, ny toeram-piofanana Campus ABC Domino. Foibe hanofanana ireo tanora, ahafahan’izy ireo manohy ny fianarany, aorian’ny bakalorea, sady hifehezan’izy ireo ny teknolojia niomerika. Dingana vaovao ity ataon’ny ABC Domino ity, izay efa nisehatra tamin’ny fanabeazana tato anatin’ny 20 taona. Namatsy vola tamin’ny fananganana ny […]
Amoronankona: Hentitra ny fandaminana
Nandray fepetra hentitra ny fitondram-panjakana, handaminana ny toby fiantsonana Amoronankona. Tanjona, ny hanamaivanana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny an-toerana. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisiteran’ny Fitaterana, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena ary ny kaominina Ambohimangakely sy Alasora, tamin’ny zoma. Nifanaraka ny manampahefana fa hodiovana sy […]




