Taratra

Radio Fahazavana: Mankalaza ny faha-29 taona nijoroany

29 taona nijoroana amin’ity taona ity, ny radio fahazavana. Fitaovan-tserasera iray eo anivon’ny Fiangonanan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Nosantarina tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny trano foibe FJKM Ifano­mezantsoa Anakaleky, afakomaly, ny fanamarihana izany. « Fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo », io no teny fanevan’ny radio, izay nifandraika tamin’ny vinan’ny […]

Noho ny fahantrana : Mandalo sedra mafy ny ray aman-drenin’ireo tanora an-tapitrisa

“Vokatry ny fahantrana lalina, miaina anaty fisedrana mafy ny ray aman-dreny mampiana-janaka amin’izao fotoana. Voka-dratsy no aterak’io aoriana kely”, hoy ny Observatoire de la jeunesse. Amin’izao fiandohan’ny fidiran’ny mpianatra an-tsekoly izao, mbola mampahatsiahy sy manaitra ny sain’ny fanjakana, indrindra ny amin’ny sehatry ny fampianarana ny Observatoire de la jeunesse, ny […]

« Salon de la gastronomie » : Hanasongadinana ireo hanitra

Hetsika lehibe ho an’ny hainahandro. Hotontosaina ny 24 hatramin’ny 26 septambra izao ny andiany faha-12 amin’ny « Salon de la gastronomie », eny amin’ny AFT Andava­mamba. Hanodidina ireo hanitra samihafa fampiasa sy misy eto Madagasikara ny lohahevitra amin’ity, araka ny nambaran’ireo mpikarakara, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Madagasikara, omaly. Hanehoana ireo fahaiza-manaon’ny mpahandro […]

«Oktoberfest 2026» : Hetsika maro no hotontosaina mandritra ny iray volana

Volana oktobra, volan’ny labiera. Hanamarika ny «Oktoberfest» sy ny fifampizarana hafaliana manodidina izany koa ny eto Madagasikara. Hetsika mampifandray ny kolontsaina sy ny fialam­boly. Marina fa ko­lontsaina vahiny, saingy efa ankalazaina amina firenena maro ny « Oktoberfest », anisany isika. Tsy ny volana oktobra irery fa hanomboka ny 15 septambra […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 30 ny fiarabe mpitatitra manokana mankeny amin’ny toby Amoronakona. Mitatitra ny mpandeha any amin’ny tanàna manodidina an’Antananarivo, toy ny Itaosy, Ambohidratrimo, Ivato, … ireo fiara ireo, amin’ny saran-dalana tokana, 2 000 Ar. Saingy, mandritra ny iray volana ihany izy ireo no miasa. Hametrahana toerana fakana aina eny amin’ny lalam-pirenena sasany. […]