Taratra

Voadonan’ny moto tetsy Ambatobe: Tapaka ny tongotr’ ilay niharan-doza

Naratra mafy voadona teo amin’ny tongony ny lehilahy iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tetsy Ambatobe, boriborintany fahadimy, omaly. Somary nisy fitohanana nidina ny lalana avy any Ambatobe nikasa hihazo an’Analamahitsy. Niampita ny arabe tampoka ilay lehilahy kinanjo nipoitra ilay moto. Nifatratra avy hatrany tamin’ny tongony. Tapaka ny ranjon’io mpantsaka rano io. Tetsy […]

Fetim-pirenena 26 jona: Mijoro ny komity mpanomana

Nampahafantarina amin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo mpikambana ao anatin’ny komitim-pirenena mikarakara ny fankalazana ny 26 jona 2025. Hanomana ny fety niverenan’ny Fahaleovantena sy ny fetin’ny Foloalindahy. Filoha vaovao hitantana izany ny talen’ny ofisy miaramila misahana ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina, ny Jly Rakotondrabary Eric. Miara-miasa manatanteraka aminy izany fikarakarana izany […]

Olana amin’ny tany : Misedra olana ny mponina ao Nosy Be

Velon-taraina ny ankamaroan’ny mponina any Nosy Be manoloana ny olan’ny fananan-tany any an-toerana amin’izao fotoana izao. Manaitra ny tomponandraikitra isan-tokony izy ireo. Nambaran’ny sasany fa tsy mahazo rariny ireo manana olana ara-pitsarana momba ny ady tany. “Tena mitaraina izahay fa sahirana na misy aza ireo porofo maro samihafa anananay vahoaka. […]