Resabe nampalahelo ny mahakasika ilay horonantsary nahavoakasika olo-malaza. Vehivavy nanana ny maha izy azy kanefa noivaivaina sy nalana baraka an-kitsirano. Na inona na inona lazaina, fanapoizinana fiainan’olona ireny, famonoana an-kitsirano fianakaviana iray manontolo. Fihetsika mamoafady lavitra noho ilay horonantsary. Tsy hidirana lalina iny tranga iny satria fiainan’olona manokana. Tsy […]
Taratra
« GMW 2025 » : Fanabeazana ara-bola mandritra ny herinandro
Hankalazaina nanomboka ny 10 hatramin’ny 23 marsa ny Herinandron’ny vola na “Global Money Week (GMW)”. Lohahevitra noraisina ny « Aza manaraka ambokony, ampiasao am-pahendrena ny volanao ». Misy ny hetsika manokana, « Salon GMW 2025 », atao etsy amin’ny tokotany malalaka Havoria Anosy, ny 19 hatramin’ny 21 marsa. Mikarakara azy ny Banky foiben’i Madagasikara […]
TSELATRA
Vehivavy iray 52 taona sy lehilahy 25 taona voasambotry ny Polisin’ny Fip Boeny noho ny resaka trafikana baobab nain, omaly. Anisan’ny zava-boahary arovana izy ireto noho izy tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Nahatratrarana baobab nain miisa 188 ireo olona ireto, izay fantatra fa harem-pirenena tsy azo ahondrana izany. Mbola […]
Sambokely rendrika: Mpandeha efatra namoy ny ainy
Olona efatra namoy ny ainy vokatry ny faharendrehan’ny sambokely mandeha motera iray tany Belo sur Tsiribihana, afakomaly alina. Zaza ny roa ary renim-pianakaviana ny roa tamin’izy ireo. Nitranga tao amin’ny kaominina ambanivohitra Marofandilia, ao anatin’ny distrikan’i Morondava ny tranga. Nitondra mpandeha 30 isa hamonjy fahoriana any Morondava izy io. Maty […]
Vono olona: Lehilahy hita faty tsy nisy voamaso
Raim-pianakaviana 67 taona hita faty tsy nisy voamaso roa tao Tanandava, kaominina Mitsinjo Betanimena, distrikan’i Toliara II, ny 15 marsa teo. Nitsirara teny anaty tanimboly io lehilahy io no hitan’ny fokonolona. Tsy nisy aina intsony izy. Niantso ny manam-pahefana avy hatrany ny fokonolona. Nozahana ny vatana mangatsiaka an’io lahiantitra io. […]




