Nankalazaina afakomaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny andro afrikanina ho an’ny skotisma, andiany faha-15. Tonga nanatrika izany ny ray mpiahy ny hetsika, i Marson Moustapha Abdulah, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Nambarany nandritra ny lahateniny fa zava-dehibe ho an’ny firenena ny fananana tanora voataiza amin’ny fomba skoto. […]
Taratra
Fifanintsanana « Mondial 2026 » : Niatrika fanazaran-tena i Couturier sy i Tommy Iva
Afaka roa andro eo sisa, hifandona amin’ny les Fauves Centrafrique ny Barea de Madagascar. Fihaonana hatao any Maroc, ny alarobia 19 marsa ho avy izao, ary tafiditra amin’ny andro fahadimy, fifanintsanana “Mondial 2026”. Araka ny vaovao voaray omaly, efa tonga any Maroc, ny mpilalao milaravinahitra toa an-dry Clement Couturier sy […]
DAKA AN-JORONY: Mahaiza mandefitra, mahafeheza tena
Zava-dehibe ho an’ny fiatrehana fifaninanana ny firaisan-tsaina sy ny firaisankina. Na ho an’ny taranjan’olon-tokana izany na ho an’ny iraisana. Tsy misy mantsy ny mahavita tena na iray aza fa ilaina hatrany ny fifanohanana. Mifampiankina ny zavatra atao vao mahatratra tanjona. Ilaina koa anefa ny fikirizana fa io no milina iray […]
“Fiba 3×3 Champions Cup”: Tapitra ny lalan’ny Ankoay lahy sy vavy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Thailande, ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3. Tsy nahomby ny ekipa malagasy, lahy sy vavy. Taorian’ny faharesena intelo nisesy nahazo ny ekipa malagasy Ankoay nandritra ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifaninanana “Fiba 3×3 Champions Cup” natao tany Bangkok Thailande, ny faran’ny […]
“XXLSmatchin by Be Connect” : Tompondaka 2025 ny IUM sy ny ESsca
Nifarana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany faha-11 amin’ny “XXL Smatchin by Be Connect”. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny IUM, vehivavy, sy ny ESsca. Avo lenta ny lalao famaranana, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nataon’ny IUM sy ESsca tsy nipetraka ny mpijery basikety […]




