Nitsidika ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly, ireo delegasiona avy amin’ny Vondrona eoropeana (UE). Nitarika izany ny masoivohony miasa sy monina eto Madagasikara, Roland Kobia. Niaraha-nandinika nandritra izany fihaonana teo amin’ny roa tonta izany ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. […]
Taratra
“Vehivavy mitafa”: Hanasongadinana ny fahaiza-manao
Nosofakana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, omaly, ny hetsika “Festival à voix haute”, “Vehivavy mitafa”. Hetsika karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny faritra Île de France, mpanohana ny hetsika. Tanjona ny hanasongadinana hatrany ny fahaiza-manaon’ny vehivavy. Eo koa ny fisian’ny firaisankina amin’ny fiadiana ny zo eo amin’ny lahy sy ny […]
Dibo-drano i Sabotsy Namehana: vaky ny fefiloha an-jatony ny tra-boina
Vaky vokatry ny rotsakorana afakomaly alina, ny fefiloha any amin’ny fokontany Andranomena. Vokany, tokantrano am-polony no traboina sy tsy maintsy nafindra toerana. Vaky ny fefiloha manandrify ny fokontany Andranomena, kaominina Ankadikely Ilafy, ditrikan’ Antananarivo Avaradrano, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nampandre ny zava-misy tamin’ny zandarimaria ny sefo fokontany Andranomena, ka […]
INDRAY MIJERY
Natolotry ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, teny Ankatso II, tamin’ity herinandro ity, ny fotodrafitrasa fametrahana ny lavadrano ho an’ny mpianatra. Niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Communauté musulmane Sunnite de Madagascar (CMSM) izany. Mihoatra ny 5m³ isan’ora ny rano azo vokarina ao an-toerana. Misy fitahirizan-drano mahazaka 18m³ ihany koa. […]
Farmasia: Vehivavy ny 56% amin’ireo matihanina
Vehivavy avokoa ny 56% ireo farmasianina matihanina miisa 400 mahery eto Madagasikara. Mbola ambony koa ny tahan’ny vehivavy manaraka izany lalam-piofanana izany ao amin’ny Oniversiten’ Antananarivo sy Mahajanga. “Manaporofo izany fa mitoetra eo amin’ny fiarahamonina ny firotsahan’ny vehivavy maro eo amin’ny taranja siantifika sy ny asa ara-pahasalamana”, hoy ny Holafitry […]




