Mbola nitohy ny hetsika ataon’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, any amin’ny faritra Analajorofo, omaly. Tao Fenoarivo Atsinanana izy no nanao ny hetsika « Fijery hafa ». Talohan’izay, nitsidika tao Foulpointe ny delegasionina ka maneho ny fahombiazana amin’ny fanofanana tanora ny CFP Foulpointe. Porofon’izany ny fahafahan’ireo mpianatra […]
Taratra
Toliara: Miato ny fampianarana, ny asa ary ny fitaterana
Tsy afa-bela i Toliara. Handravarava any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy indray ilay rivodoza Jude. Tsy mbola tafarina akory ny fahavoazana teo aloha dia efa izao manafika izao indray ny manaraka. Tapaka tanteraka ny famatsian-jiro sy ny lalam-pirenena faha-7 iny raha ny tatitry ny prefektoran’i Toliara vokatry ny rivotra sy orana […]
Tsy fanjarian-tsakafo: Nametraka fanamby enina hotanterahina hatramin’ny 2030 i Madagasikara
Isaorana ny fahasahian’ny fitondrana nandray ny fanamby hitondrana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030, hoy ny vovonana Hina. Hanohana amin’ny drafitrasa hanatrarana izany ny fikambanana 600 mandrafitra ny Hina. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny andraikitra horaisin’ny fanjakana malagasy ho an’ny fihaonana an-tampon’ny […]
TARATRY ny KANTO
Nizara fisotroan-dronono voalohany ny Omda, omaly. Nisitraka izany ireo mpanakanto mpamorona, mpikambana efa maherin’ny 60 taona. Fotoana nanamafisana hatrany ihany koa ny tokony ho fantatra amin’ny zon’ny mpamorona io. Misy ireo mpikambana vao sambany no nisitraka ny fisotroan-dronono. Anisan’ireo tanàn-dehibe hanana ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy makotroka i Antsirabe. Ny […]
Fampivelarana ny saina sy ny kanto : Mila hamaroina ny seho amin’ny andro atoandro
Rehefa atoandro, miato kely ny asa aman-draharaha sy ny fianarana. Amin’ny andro atoandro, matetika tsy latsaka ny orana raha fotoam-pahavaratra. Atoandro ny andro, fanangonan-kery hiatrehina ny tolakandro… Tombony omen’ny andro atoandro avokoa ireo. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola tafiditra loatra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Malagasy ny hiatrika na hijery zavakanto na fialamboly […]




