Fomba fiteny ihany ny hoe « haboridana », saingy mahafehy ihany koa ny zavatra hitranga. Nosafidiana manokana amin’ny hetsika « Un jour, un artiste », karakarain’ny IFM Analakely ny The Dizzy Brains, tarika Malagasy mpanao rock, hany misehatra amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Hotontosaina ny tontolo andron’ny 22 febroary izao io, manomboka amin’ny 10 ora […]
Taratra
“Fahano” : Gazety boky kristianina
“Fahano ny saina sy ny fanahy”. Izay no tena lohatenin’ity gazety boky vaovao ity. Gazety boky kristianina, izay noketrehina mba hahatonga ny Malagasy tia mamaky boky, andaniny, fa ho famelomana ara-panahy ny mpamaky amin’ny foto-pampianarana kristianina ihany koa, ankilany. ”Handrehatra ny finoan’ny tsirairay mba hiaina fa tsy ho velona fotsiny […]
Fitaizana sy fanabeazana : Ahina ho very tanteraka ny lalao iombonana
Nanampy betsaka ny fitaizana teo anivon’ny ankohonana ny lalao iombonana. Niombonana rahateo ny zanaka tamin’izany… Ankehitriny, mampanahy ny hahavery tanteraka azy ity. Tao amin’ny ankohonana, ny ray aman-dreny niteraka, nanabe ho olom-banona. Vao mivoaka ny tokonana ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora, mandray ny andraikiny manoro, mitari-dalana ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Mihena ny delestazy eto Antananarivo. Antony, niakatra ny haavon’ny renirano manodina ny tohodranon’Andekaleka any amin’ny faritra atsinanan’i Madagasikara, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Faida. Miakatra, araka izany, ny famokarana any an-toerana, mamatsy herinaratra ny tambajotra eto Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Mitantana ny tetezana Mangoro sy Antsampazana (RN2), ny minisiteran’ny Asa […]
“Ultra Trail des Ô Plateaux” : Sady fizahantany no fanatanjahantena
Hanome lanja ny sehatry ny fizahantany sy ny tontolo iainana ny hetsika “Ultra Trail des Ô Plateaux” (Utop), andiany faha-16, amin’ity taona ity, hotanterahina manomboka ny 9 ka hatramin’ny 11 mey, ao Mantasoa. « Fotoana iray ahafahan’ireo mpandray anjara mahita sy mankafy ny hakanton’ny toerana ary mamantatra ny mampiavaka ny tanànan’i […]