Indroa saron’ny fokonolona nanakorontana ny lamba namonosana ireo razana milevina tao anatin’ny fasana, tao Ambahavala, kaominina Sambava, ny vehivavy iray. Nosavoritahiny avokoa ny razana rehetra tao anatin’ny fasana maromaro ao an-toerana. Niparitaka nanerana ny tokotanim-pasana ireo lamba sasany namonosan’ny fianakaviany ireo olona efa namoy ny ainy milevina amin’io toerana io. […]
Taratra
Notafihana dimy lahy : Ben’ny Tanàna lefitra maty voatifitra sy voaroba
Vonoan’olona tsotr’izao no nahafaty ny ben’ny Tanàna lefitra tao Benenitra, omaly maraina. Notifirin’ny olon-dratsy izy ka nahazo ny tratrany ny bala. Dimy lahy nitondra fitaovam-piadiana niditra an-keriny tao amin’ny tokatranon’ny lefitry ny ben’ny Tanàna miasa ao amin’ny kaominina Benenitra, faritra Atsimo Andrefana, omaly. Nopitsohan’ny jiolahy tamin’ny alalan’ny famaky ny varavarana, […]
Tsipy kanetibe malagasy : «Misy minia manakoron-tana», hoy ny FSBM
Tsy milamina mihitsy ny tontolon’ny taranja tsipy kanetibe na eo aza ny vokatra azon’ireo ekipam-pirenena ka nandrombahana ny “Mondial 2026”, sokajy “junior”. Mbola mifanolana hatrany amin’ny resaka fitsipika ny klioba sy ny Federasionina malagasy (FSBM). “Misy koa anefa ireo miezaka mandrehitra afo”, hoy ny tomponandraikitra. Raha jerena ivelany, mandeha sy […]
Rugby – Trophy Barthès: Tsy tonga ny Makis sy i Côte d’Ivoire
Hanomboka anio, any Kampala Ouganda, ny fiadiana ny Trophy Barthès, taranja rugby, sokajy “junior”. Tsy anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Makis Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, izay ao anatin’ny “First division” (D1). Raha ho an’ny Malagasy, ny tsy fisian’ny saran-dalana, ny antony tsy nahafahana nandeha. Araka ny fanadihadiana natao, […]
Baolina kitra – Fifaninanana afrikanina : Fc Rouge vs Arrows FC Zambie, CFFA vs Lijabatho FC Lesotho
Fantatra avokoa ireo ekipa hifanandrina amin’ireo solontena malagasy eo amin’ny fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra. Ny Arrows FC Zambie ny an’ny FC Rouge ary ny Lijabatho FC Lesotho, hifanandrina amin’ny CFFA. Tontosa omaly, tany Le Caire Egypte, ny antsapaka nahalalana izay ekipa hifanandrina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy […]





