Inona no tena zava-misy marina eto amin’ity firenena ity? Ohatra ny hafahafa, tsy mazavazava, izany ny fivoaran’ny raharaha politika. Misy kitsapatsa tsy hay hoe avy aiza na avy aiza izany. Ny tsaho sy ny honohono toa misary sangisangy zary tena tsy lazaina intsony. Fanina tsy hita izay ho lazaina […]
Taratra
FANJIFANA : Hiovaova isam-bolana ny vidin-tsolika
Hiovaova isam-bolana ny vidin-tsolika, hifanaraka amin’ny vidiny iraisam-pirenena. Mila mizatra izany ny mpanjifa, satria anisan’ny fepetra napetraky ny FMI io. Niova nanomboka omaly 5 febroary ny vidin’ny solika eto Madagasikara. Mihatra, araka izany, ny fampifanarahana azy amin’ny fiovaovan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Niakatra ho 4 890 Ar ny litatry ny […]
TSELATRA
Rongony 375 fototra nongotan’ny zandary tao Sahabe, fokontany Mahatsinjo, kaominina Ambanivohitra Ambohibary, omaly. Nosavain’ny mpitandro filaminana ny toeram-ponenan’ny lehilahy iray. Tratra tao aminy ireo rongony ireo niampy roa gony ary roa harona plastika. Olona roa niara-voasambotra. Ankoatra io, rongony roa fototra koa nogiazan’ny mpitandro filaminana teny Ankatso II, omaly. Lehilahy […]
Ankadikely Ilafy: Lehilahy nahatrarana fitaovam-piadiana
Nosamborin’ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nahatrarana basy tsy ara-dalàna tao Ankadikely Ilafy, ny alin’ny talata 4 febroary teo. Naharay fampahafantarana tamin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa mitondra fitaovam-piadiana mandehandeha io lehilahy io. Nidina nijery ifotony ny raharaha ny polisin’ny UIR. Nosavaina ilay voatondro ka nahatrarana pistolet calibre 7,65 mm. […]
Maty teny Ambohitrimanjaka: Natao fombafomba vao hita ny razana
Nanaovana fombafomba araka ny fanaon’ny mponina eny an-toerana ny fitadiavana ny nofo mangatsiakan’ilay tovolahy 23 taona, maty namono tena tao amin’ny ranon’Ikopa, teny Ambohitrimanjaka, ny alahady tamin’ny 8 ora alina lasa teo. Tonga teny amin’ny ranon’Ikopa ireo fianakaviana sy ny fokonolona nanatanteraka izany, ny alatsinainy maraina. Rehefa tsy nahita azy teny […]