Olana goavana atrehin’izao tontolo izao ny loto avy amin’ ny tavoahangy plastika. An-tapitrisany isan-taona ny ariana sy very eny rehetra eny. Manoloana ireo, hamafisin’ny orinasa Star ny tetikasa Kopakelatra, hitantanana ny fako plastika. Miisa 131 ny vata naparitaka, 93 amin’ny toerana stratejika an-tanàn-dehibe miisa enina. Natao hanangonana ny tavoahangy plastika […]
Taratra
Rakotoarimanana Henintsoa: Mijery ny tombontsoan’ny vahoaka ny filoha
Ho avy eto Madagasikara, anio, ny filohan’i Slovenie, Natasa Pirc Musar. Hanamafy ny fifanarahana ara-diplaomatika eo amin’i Madagasikara, izay tarihan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy i Slovenie, no tanjona amin’ity fitsidihana ity. Nilaza ny heviny mahakasika izany ny ben’ny Tanànan’Andoharanofotsy, Rakotoarimanana Henintsoa na ny maire Tôta. “Manana filoha mijery ny […]
Diplaomasia : Nampahafantatra ny « plats classiques » i Turquie
Toy ny fanao nanomboka ny taona 2022, nankalazaina ny 23 mey teo, teny amin’ny masoivoho tiorka Ivandry, ny Andron’ny sakafo tiorka. Niavaka tanteraka ny hetsika tamin’ity taona ity noho izy nifantoka tamin’ireo sakafo fahita andavanandro sy eny rehetra eny na « plats classiques ». « Sakafo ara-pahasalamana sy feno otrika hery isan-karazany ary […]
Tontolo iainana : Hatao nosy tsy misy plastika i Sainte Marie
Nosokafana tany amin’ny Nosy Boraha, na Sainte Marie, omaly hatramin’ny 4 jona izao, ny fankalazana tamin’ny fomba ofisialy, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tontolo iainana (JME). Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana (Medd), Max Andonirina Fontaine, ny solombavambahoaka Imbiki Herilaza ary ny tomponandraikitra maro. Lohahevitra ny hoe : « […]
INDRAY MIJERY
Mety hikorontana indray ny toetry ny andro noho ny alondrano vaventy any an-dranomasina amin’ny morontsiraka afovoany sy atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy, amin’ny faran’ny herinandro. Halefaka ny tsiokan’ny varatraza amin’ny tapany voalohany amin’ny herinandro. Tombanana hahazo vahana aorian’izany. Tombanana hitoetra hatrany koa ny orana tandrifin-drahona any amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny […]