Vita ny 7 desambra teo ny asa fanarenana ny lalana vonjimaika, fiampitana eo amin’ny tetezan’Ifasy (PK 537+329) sy any amin’ny tetezan’i Mahavavy (PK 568+720). Samy any amin’ny lalam-pirenena faha-6 ireo, ka nanatanteraka azy ny orinasa Colas. Tsiahivina fa tapaka ny tetezana roa vokatry ny rivodoza farany teo, tamin’ity taona 2024 […]
Taratra
Masomboly : Fiaraha-miasa amin’i Korea
Manohana an’i Madagasikara amin’ny famokarana karazana masomboly mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro ny Repoblikan’i Korea Atsimo. Tanjona koa ny hahafahan’i Madagasikara manondrana vokatra any ivelany. Nampahafantarina ny 6 desambra teo ny fanombohana ny tetikasa « Knowledge Sharing Program » (KSP), ho an’ny taona 2024-2025. Iarahana amin’ny Ivontoerana Institut KDI, rantsamangaika eo ambany fiahian’ny […]
Fiompiana antsokosoko: Varika miisa 3 tratra tao amin’ny toeram-pialamboly eny Itaosy
Misy tsy mety fay mandika lalàna mihitsy ny sasany amin’ny fitazonana any an-trano biby tsy fiompy. Tsy mandefitra na kely aza ny fanjakana. Tratra tao amin’ny toerana fialamboly iray eny Itaosy, ny sabotsy 7 desambra teo, ny varika miisa telo, notazonina antsokosoko. Angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no namantarana […]
INDRAY MIJERY
Notanterahina ny sabotsy teo ny fandraisan-tanana ny filohan’ny Synodam-paritanin’Antananarivo Andrefana (SPAA10) eo anivon’ny FJKM, Razafindrakoto Andriambalohery Hasinarivo. Nifanotronan’ireo fiangonana manodidina ny 300 aty amin’ny SPAA 10 izany. Nametraka ny vinany 12 izy, mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny finoana kristianina. Lavapiringa moderina miisa 290 no hapetraka eto Antananarivo. Fiaraha-miasa amin’ny orinasa Loowat […]
Fivama : Nitombo ny fahatokisan-tenan’ireo vita fiofanana
Nifarana ny herinandro teo ny fampiofanana nomen’ny fikambanana Viavin’i Mandritsara (Fivama) ireo andriambavilanitra mpikambana ao aminy. Naharitra 5 herinandro ny fampiofanana mahakasika ny fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka, ho sahy mijoro sy maneho hevitra. Nilaza ny filohan’ny fikambanana, Razafindrafotsy Joela Martine, fa nahafahan’ireo vehivavy manana fahatokisan-tena amin’ny fahaizana maneho hevitra ny fiofanana norantoviny. […]