Taratra

FANTINA sy FINTINA

Ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, ny solontenan’ny Avi, Ratsirahonana Norbert Lala sy ny depiote, R. Zavamanitra. Samy noraisin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël teny Ambohitso­rohitra, omaly sy afakomaly. Tafiditra amin’ilay dinika politika, efa nambaran’ny filoham-panjakana izany. Anisan’ny efa nihaona tamin’ny FFKM ny avy amin’ny Fikambanan’ireo firenena aty Afrika sy Karaiba […]

PDS vaovao an’Antsirabe : Laharam-pahamehana ny fandoavana ny karama

Taorian’ny nanendrena an’ Andriatomponera Fidy ho PDS ny fiadidina ny tanàn’ Antsi­rabe, vita omaly, ny fifamindram-pitantanana teo ami­ny sy ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana, Rakotondrabe Andrianomanana. Nanatrika izany ny Prefen’Antsirabe mi­adidy ny Faritra Vakinanka­ratra. Teo koa ireo manam-pahefana sivily sy miaramila isan-tsokanjiny ao amin’ny tanànan’Antsirabe ary ireo mpiara-miasa eo anivon’ny […]

Tetikasa GPS, ranomasimbe Indianina : Hosorohina ny korontana amin’ny fifidianana

Notanterahina tany Moroni, Kaomoro tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra, hatramin’ny omaly ny atrikasa momba fifidianana aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Mametraka ho ambony ny fitantanana sy ny filaminana ary fitoniana ny fifampizarana tamin’izao fihaonana izao. Natao koa ialana amin’ny disadisam-pifidianana matetika miseho. Anisan’ny nisolo […]

Maty etsy, maty eroa !

Somary mangingina ny fivoizina ny zaza very tato ho ato, na dia mbola maro aza ny tranga. Izay manana fahasahiana no manao antso avo ampahibemaso. Ny pejy na kaontin’olon-tsotra efa tsy sahy manao ranty amin’ny tambajotran-tserasera. Maro ny tsindry sy fanenjehana izay mizara fa lazaina ho mpampihorohoro saim-bahoaka. Tsy azo […]

TSELATRA

Zaza varira iray nokasain’ny dadatoany hamidy tao Vangaindrano ka olona 9 voasambotra hatramin’ny omaly. Noraisain’ny fitondrana Fanavaozana an-tanana ilay zaza ka nakarina eto an-dRenivohitra. Olona efatra naratra nianjeran’ny kabone tao Mananjary, nandritra ny fiakaran’ny ranomasina, omaly. Zaza ny iray tamin’ireo voakasika. Notsaboina eny anivon’ny hopitaly izy ireo. Zaza 4 taona […]