Taratra

Rasambany Alain Desiré: “Atsaharo ny fankahalana sy fanaratsiana”

Naneho ny heviny manoloana ireo lahateny samihafa tany Toliary, nidinan’ny filoha Rajoelina Andry tany an-toerana, afakomaly, ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa anaty krizy sosialy ny any atsimon’ny Nosy amin’izao fotoana izao. “Tsy mendrika ireny serasera miendrika fankahalana sy fanaratsiana ny hafa ary fidokafan-tena ireny. Atsaharo fa […]

Depiote sy ben’ny Tanàna Vakinankaratra: “Tsy azo ekena ny fambolena korontana eto”

Nanao fanambarana ireo ben’ny Tanàna Irmar miisa 50 sy ireo avy amin’ny tsy miankina miisa 24 ary ireo depiote amin’ireo distrika fito ao Vakinankaratra. “Lavinay ma­rin­­drano ary toherinay amin’ny herinay rehetra ny fambolena korontana sy fandrebirebena ny saim-bahoaka tsy hampisy fitoniana sy fiarahamonina milamina”, hoy izy ireo tao Ambatolampy, ny […]

Fifehezana ny fenitry ny fanorenana: Nofanina ireo matihanina ao Fianarantsoa

Mitohy ny hetsiky ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Anisan’ny nanaovana fampiofanana ny any Fianarantsoa. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny MFFT fa mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny tanjona amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny politika nasionaly amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izy ireo. “Tafiditra ao anatin’ny tetikasa […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy : Niainga tamin’ny fitakian-jo hifidy sy hiasa ny 8 marsa

8 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Tsy tongatonga ho azy. Nisy tolona sy fitakiana, fiaretana sy faharetana tao. Niainga tamin’ny fitakian-jo hifidy sy hiasa ary ny fanavakavahana eo amin’ny asa. Fintina tantara… Ny 8 marsa ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, araka ny fiantsoan’ny Firenena […]

TARATRY ny KANTO

Fondation H. Nifarana ilay fampirantiana « Mémoria : recits d’une autre Histoire », izay naharitra 10 volana, teto Antananarivo. Nahitana sanganasa 40 mahery, an’ireo mpanakanto 22 avy amin’ny firenena 11 aty Afrika izany. Nahatratra 140 000 teo ireo mpitsidika nanomboka ny 4 avrily 2024. Hihazo tanàna-dehibe any amina firenen-kafa indray ny fampirantiana, aorian’izao. […]