Taratra

Jazz Club CGM/GZ: Hanakoako ny « Jazz Fiderana »

Hiavaka ny seho. « Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia ». Hanatanteraka io teny voarakitra ao anatin’ny Salamo io ny Jazz Club CGM/GZ. Amin’ny alalan’ilay fampisehoana « Jazz Fidera­na » no hanehoan’izy ireo izany ny 16 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Kristy Velona Andavamamba. Ho heno […]

Fampirantian’ny IKM : « Ny rakitry ny taniko Madagasikara »

Vanim-potoana mamelombelona ny maha Malagasy ao anaty izao. Misy amin’ireo fanao andavanandro no efa nolovaina tamin’ny fahagolan-tany. Voarakitra amina sanganasan’ny mpanakanto izy ireny, izay hatolotry ny Musée du Nord haranty ao amin’ny IKM Antsahavola, ny zoma 7 matsa hatramin’ny sabotsy 5 avrily ho avy izao. “Ny rakitry ny taniko Madagasikara” […]

«Festival Surakjkund 2025 » : Nisongadina tany Inde ny kolontsaina malagasy

Tsy vao sambany. Nanamafy indray ny mampiavaka ny kolontsaina malagasy ny fandraisana anjaran’ny Malagasy Folkloric Band (Maf’B), tamin’ny « Festival Surakjund 2025 » tany Inde, farany teo. Fahombiazana feno. Izay raha hanaovana jery todika ny fandraisana anjaran’i Madagasikara tamin’ilay hetsika iraisam-pirenena « Festival Surajkund Crafts Mela ». Fanao isan-taona any Surajkund, any Inde, izy […]

VAOVAO TAMBATRA

Namoaka setroka maloto sy fofona ny orinasa iray eny Ivato. Nidina teny an-toerana ny fanjakana (Medd, MIC, ONE, kaominina,…), ka nasaina naaton’ilay orinasa ny fandorany vorodamba sy plastika satria tsy tomombana ny milina ao aminy. Hiverina eny an-toerana ny ONE hanombana ny lafiny teknika sy hijery ny fanarahana ny didim-panjakana […]

Forum économique du secteur privé : Hitohy ny fisoratana anarana

Manasa ny Malagasy mpandraharaha liana handray anjara amin’ny hetsika « Fo­rum économique du secteur privé » atao any Genève-Suisse ny Federasion’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM). Hiitatra hatramin’y 21 marsa ny fisoratana anarana mba hahafahan’ireo mpandraharaha mikarakara ireo antontan-taratasy samihafa mahakasika izany. Marihina fa hetsika goavana iraisam-pirenena ny « Forum […]