Taratra

FANTINA sy FINTINA

Niantso ireo mpanolotsaina ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, mba hikatsaka ny tombontsoa iombonana amin’izao fivori­an’ny filankevitra monisipaly izao, ny alatsinainy teo, tetsy Analakely. Hotanterahina mandritra ity herinandro ity izany fivoriana izany. Tokony ho lohalaharana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fitsarana, araka ny nambaran’ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis tamin’ny fananganan-tsaina teny […]

Fidinana ifotony teny Avaradrano: Haverina ny fitokisan’ny vahoaka ny Fananantany

Nidina ifotony teny amin’ny Biraon’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany “Cirdoma” eny Avaradrano, ny delegasiona avy amin’ny minisite­ran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), omaly. Nihaona sy ni­fampidinika tamin’ireo lehibe sy tomponandraikitra isan-to­kony eo anivon’ny Cirdoma izy ireo ka nitarika izany ny Tale jeneralin’ny Sampandrahara­han’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany. Niatrika […]

Rivo-pahasoavana

  Iza no tsy faly vao milatsaka ny orana ankehitriny? Velombelona na ny an-drenivohitra na ny any ambanivolo. Tsy toy ny taloha nampiferinaina fa zara aza misy milatsaka. Tena fanomezana sy fahasoavana mihoapampana mihitsy izany. Tsy misy mivaky loha izay lakandrano tsentsina na fako mitsikafona any. Tena hoe zara aza […]

Hentitra ny Prefektiora an’Antananarivo : “Tsy azo ekena ny fivoriana fanakorontanana”

Mbola nanamafy indray ny eo anivon’ny Prefektiora an’Antananarivo: voarara ny fivorivoriana resaka politika hikotrehana fanonganam-panjakana. Mivonona amin’ny mety fikotrehana hetsika politika ho any amin’ny fa­nonganam-panjakana ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Nandray ny fe­petra rehetra mifanandrify amin’izany ny eo anivon’ny Prefektiora. “Tsy azo atao ny fivoriana ahina hiteraka korontana, indrindra fa […]

TSELATRA

Afaka madiodio ilay nanolana sy namono zaza 11 taona tany Fianarantsoa, taorian’ny fitsarana azy tany an-toerana, omaly. Torana tampoka ny renin’ilay zaza rehefa nahare izany. Tezitra mafy koa ny fokonolona nanoloana izany, ka saika hanao fitsaram-bahoaka ireo olona nahavanon-doza. Niditra an-tsehatra namaha ny hetsika ny avy eo anivon’ny zandary any […]