Taratra

Alaotra Mangoro: Zokiolona 700 nahazo fanampiana

Nitondra tantsoroka, nahitana vary sy menaka ary lamba firakotra ho an’ireo zokiolona miisa 700, ny minisitry ny Mponi­na sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, sy ireo mpiara-mi­asa aminy nandritra ny fandalovany tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Zokiolona miisa 300 tao Ambatondrazaka, 200 tao Amparafaravola ary 200 tao Andilamena. Niara-nisalahy tamin’ny fitsinjarana […]

Antananarivo Renivohitra: Tsy manohana na manohitra befahatany ny RTM

Naneho hevitra momba ny vinan’asan’ny ben’ny Tanànan’Antanananarivo Renivohitra ny RTM, omaly. Hanohana izany izy ireo raha mitera-bokatsoa, araka ny nambarany. “Manohana ny vinan’asa izahay, raha ohatra mitera-bo­katsoa ho an’ny tanàna sy ny mponin’Antananarivo”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Reni­vohitra avy amin’ny antoko Refonda­tion totale de […]

INDRAY MIJERY

Hitohy hatrany ny fijerena ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza mahakasika ny fanaovana vaksiny. Ezaka iray lehibe natomboky ny filohan’ny Repoblika nanomboka ny taona 2019 ny fanovana ny vata fampangatsiahana fitehirizam-bakisiny handeha amin’ny herin’ny masoandro. Heverina ho tratra anatin’ity enim-bolana voalohany amin’ity taona ity ny tanjona ka handeha amin’ny herin’ny […]

Faritra andro ratsy: Manambana ny any Atsimo Andrefana

Misy faritra andro ratsy roa mivoatra miadana manodidina an’i Madagasikara. Ny iray mitoetra any atsinanan’ny morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy ary ny faharoa kosa ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Ity farany izay manambana ny tapany atsimo andrefan’ny Nosy, any amin’ny faran’ny herinandro. Mbola mitoetra eto amin’ny Nosy ny ampahan’ny Zone de convergence […]

Fiteny sinoa : Nisokatra ny foibem-panofanana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro lasa teo eny Tanjombato, ao amin’ny orinasa King Deer Cashmere, ny foibem-piofanana amin’ny fiteny sinoa sy ny fahaiza-manao. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny masoivohon’i Sina eto amintsika izany. Nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana niaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny minisitry […]