Taratra

Tsaratanàna : Ankizy telo maty tao anaty lavadrano

Ankizilahy telo, maty latsaka tao anaty lavadrano, tao Ma­nonga Sarobaratra, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly maraina. 4 taona ny roa tamin’ izy ireo, ary telo taona kosa ny iray. Nilalao teo amoron’ilay la­vadrano, metatra vitsivitsy miala ny trano fonenany ao Antongomena Manon­ga, izy telo lahikely ireo. Nibo­lisatra noho ny halaman’ny toerana, raha […]

Maty tsy tra-drano: Mpiambina trano voatsatoka antsy

Nisy vonoan’olona mahatsiravina tao Salazamay, parisela 14/21, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy 15 mn. Tovolahy mpiambina tanàna ana teratany frantsay saika hidiran-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana. Niantso vonjy ilay mpiambina. Vokany, notsatotsatohan’ireo jiolahy antsy izy ka maty tsy tra-drano. Na teo aza izany, tsy tafiditra […]

Mpisandoka ho mpampitombo vola : Milaza ho misy kalanoro, lehilahy iray nosamborina

Voasambotry ny zandary, omaly, ny raim-pianakaviana iray milaza ho mpampitombo vola. Mandroboka ny lasibatra amin’ny resaka kalanoro izy. Voasambotry ny zandarimaria ao Amborovy, omaly maraina, tany an-toerana, ao antampon-tanànan’i Mahajanga, ny lehilahy iray misoloky ho kalanoro. Mi­vondrona ao anaty tambajotrana Dadibe na kalanoro izy io. Lasibatra tamin’ny asa ratsiny ny […]

Baolina kitra, sokajy vehivavy : Hatao amin’ny faritra telo ny dingana faharoa

Hotanterahina ny 25 feb­roary hatramin’ny 1 marsa ho avy izao, any amin’ireo faritra telo : Ihosy sy Antsirabe ary Mahajanga, ny dingana faharoan’ny fifaninanam-pirenena, sokajy vehivavy, taranja baolina kitra. Nozaraina tamin’ireo toerana telo ireo ny klioba 12 tafita amin’ity dingana ity. Anisan’ireo tafaray vondrona any Antsirabe, amin’izany, ny Askam Afa […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, mitana ny laharana voalohany hatrany ny AS Fanalamanga, amin’ny fifaninanana nasionaly « World Cola-PFL ». Ma­nana isa fito izy ireo. Manaraka azy aoriana kosa ny Elgeco Plus, isa dimy ary ny Fosa Juniors FC, isa efatra. Ratsy kosa ny toerana misy ny Tsaramandroso FC, izay mitana isa […]