Taratra

Tara fodiana : Mpivady niara-maty lasan’ny ranotrambo

Hita ny sabotsy maraina tamin’ny 9 ora, niara-namoy ny ainy, ny mpivady avy niasa, tao amin’ny fokontany Amba­tolampikely, kaominina Am­batomiady, distrikan’Anta­nifotsy, lasan’ny rano ny alin’ny zoma 14 febroary teo. Nivarotra toy ny mahazatra azy ireo, namonjy fodiana izy mivady. Nitaingina moto, nikasa hiampita ny renirano no sendra ny ranotrambo tampoka […]

Arivonimamo : Nanentana ny mpianatra ny zandary

Nidina ifotony teny anivon’ireo sekoly tany amin’ny CEG sy Lycée Coindre Arivonimamo, ny borigadin’ny zandary any Arivonimamo, omaly. Nanao fanentanana an’ireo mpianatra mahakasika ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izy ireo, nandritra izany. Ankoatra izay, mba hahafahana miady amin’ny karazana herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy. Eo koa ny ady amin’ny […]

Kamiao nihitsoka familiana : Olona iray maty tsy tra-drano, roa hafa naratra

Renim-pianakaviana, 74 taona, maty tsy tsa-drano vokatry ny fianjeran’ny kamiao iray nandehanany, afakomaly, tany Ifanadiana. Voatsindrin’ilay fiara izy ka nitarika ny fahafatesany. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona iray tany amin’ny lalam-pirenena, RNT 14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo, PK10+80, afakomaly. Niseho tao Mangalahenatra, fokontany ao ihany, kaominina ambanivohitra Ambiabe, distrika Ifanadiana, ny […]

Fiarovana ny tontolo iainana : Marisika tsikelikely amin’ny fampiasana arina ekolojika ny mponina

Azo lazaina ho efa manomboka marisika amin’ny fampiasana ny arina ekolojika ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy amin’ izao fotoana izao. Noho ny fahatsapana ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny halafosan’ny arina tsotra eny an-tsena. Miankina tanteraka amin’ ny fampiasana ny arina fandrehitra sy kitay avokoa ny 95% ny tokantrano malagasy. Mbola lafo […]

Minisitra Marson Moustapha Abdulah: “Hatambatra ny hery ho fampandrosoana ny tanàna”

Tafapetraka omaly, eo amin’ny toeran’ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga I, i Heriniaina Tia Solofomanga. Olom-panjakana maro no tonga nanatrika ny lanonana tany an-toerana. Notontosaina ny sabotsy teo, tao an-drenivohitr’i Boeny, ny lanonana manokana nametrahana ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga I, i Heriniaina Tia Solofoman­ga na i Maire Daddy. Nitarika ny lanonana, tamin’izany, […]