Taratra

Harena an-kibon’ny tany : Antoky ny rano sy ny angovo ny ala

Nanatanteraka ny adidy fambolen-kazo 2024-2025 ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika (MMRS), omaly. Teny Tsiakarana, fokontany Antanimenabe, kaominina Masindray, ny toerana nanatontosana izany, notarihin’ny minisitra Rakotomalalala Herindrainy Olivier. Lohahevitra noraisina amin’izany « ny ala antoky ny rano sy ny angovo ». Miisa 5 000 ny zana-kazo novolena, tamin’ny velaran-tany […]

Fandaharanasa Sanoi: Nahomby ny tetikasa Mifampibaby

Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Sanoi ny fanatsarana ny famokarana sy ny manodidina ny sakafo. Tanjona ny hisian’ny fiovam-pihetsika, toy ny nataon’ny tetikasa Mifampibaby. Niasa tany amin’ny faritra telo (Ana­lamanga, Bongolava, Itasy) ny tetikasa Mi­fa­mpibaby, tohanan’ny Fan­daharanasa fanjarian-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Sanoi). Nilaza Ra­soa­miaramanana Reine, mpa­ndrindra ny tetikasa ao amin’ny […]

Fanavaozana lisi-pifidianana : Tsy an’ny Ceni irery ny fanentanana

“Tsy anjaran’ny Ceni irery ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny fisoratana anarana eny anivon’ny fokontany ao anatin’izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izao”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël. Teny Alarobia, omaly, manoloana ny famaranana vonjimaika ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) anio 15 febroary no nanambarany izany. Ma­nana […]

“Afrobasket 2025 Qualifiers” : I Johan sy i Madi sisa andrasana

Ny 21 febroary ho avy izao, etsy Mahamasina, no hanomboka ny fifanintsanana basikety, hahazoana ny tapakila hiatrehina ny « Afrobasket 2025 ». Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny ekipa nasionaly malagasy Ankoay, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray omaly, avy eo anivon’ ny Federasiona malagasy (FMBB), andrasana rahampitso ny fahatongavan-dRandriamananjara Johan, […]

Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina : Anisan’ireo mpifidy ny filoha Rajoelina Andry

Hotanterahina, anio, ao Addis Abeba, ny fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA). Miisa telo ireo kandidà hofidina ka anisan’ireo mpifidy amin’izany ny filoha Rajoelina Andry. Miisa telo ireo kandidà hifaninana ho filoha ka anisan’izany ny minisitra teo aloha, Randriaman­drato Richard. Efa nahazo ny fanohanana sy fankatoavan’ny firenena eo […]