Lehilahy 37 taona namoy ny ainy tao Andramiarana, fokontany Morondava, kaominina Antehiroka, ny 1 febroary teo, tamin’ny 12 ora sy fahefany. Mpandalo no nahatsikaritra olona nihohoka tamin’ny tanimbary mifanila amin’ny lakandranon’ Andriantany. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany io nanatri-maso io. Navoakan’ny fokonolona tao anatin’ny toerana voalaza ilay lehilahy. Nanao […]
Taratra
Fahafatesana mampiahiahy : Mpifankatia niara-hita faty
Nilaza fa handeha hivavaka ireto mpifankatia tamin’ny alahady. Hatairana ny an’ny fianakavian’izy ireo, omaly, rehefa nandre fa hita natsingevan’ny rano izy roa. Olona roa, vehivavy 16 taona sy lehilahy 25 taona, samy maty an-drano tany Avaradrova, Morondava, faritr’i Menabe, omaly. Hita faty tamin’ny 8 ora sy 30mn maraina tany ho […]
Ampy ny orana : Miroborobo ny fambolena any Menabe
Ampy tsara ny firotsahan’ ny orana any amin’ny faritra Menabe, amin’izao fotoana izao. Mamelona ny fanantenan’ny tantsaha izany satria miroborobo ny fambolena. Mihazakazaka mirohotra amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny tany hambolena izy ireo. Satria, manana fanantenana ny vokatra ho tsara amin’ity taom-pambolena 2025 ity ny tantsaha sy ny mpamokatra […]
VAOVAO TAMBATRA
Nahitsy ny fifanarahana solika eo amin’ny Fanjakana, ny Jirama ary ny Jovena. Voakasik’izany ny famatsian’ny Jovena solika menaka mavesatra HFO ny orinasa Jirama, mandritra ny 3 volana (janoary –marsa 2025). Tanjona ny hiantohana ny famatsiana solika ny Jirama tsy ho tapaka mihitsy. Tombanana ho 12 000 m3 ny fandaniana solika amin’ny […]
Angovo ho an’ny daholobe: Jiro cobra ho an’ i Toamasina
Natomboka tany Toamasina, ny zoma 31 janoary teo, ny tetikasa « Hazavana ho an’ny rehetra », ho an’ity taona 2025 ity. Fotoana nanamarihana izany, ny nanolorana ny jiro cobra tao amin’ny biraon’ny kaominina Toamasina I. Nanatanteraka izany ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, notarihin’ny talen’ny Kabinetra, Randrianaina Odon Marius. […]




