Efa-dahy vao nivoaka ny fonja tratra nanendaka tao Mandritsara, ny alarobia 29 janoary teo. Tsy vaovao tamin’ilay voaroba avokoa ny endrik’ireo olon-dratsy ka noraisim-potsiny tany amin’ny trano fonenany izy ireo. Nivoaka ny fonja vao roa herinandro lasa ireo olona voasambotra ireto. Fito lahy mpanendaka sady mpanao hala-boty naiditra am-ponja vonjimaika […]
Taratra
Ambohidahy Ankadindramamy : Fanafihan-jiolahy ravan’ny tompon-trano
Telo lahy nikasa hanafika tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Ambohidahy Ankadindramamy, Antananarivo V, ny alin’ny 30 janoary teo, tamin’ny 8 ora alina. Nikasa hiditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray, ren’ny tompon-trano ny fisian’ireo olon-dratsy. Nitsoka kiririoka avy hatrany ny lasibatra vantany nahatazana ireo mpandroba. Nikoropaka, tsy nahavanona ny […]
Ady tany ao Nosy Be : Mpitsara sy mpisolovava voasaringotra
Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny teratany vahiny voalaza ho tompon’ny tany misy fotodrafitrasa maromaro ao Nosy Be Hell-ville sy ny tambajotra voalaza ho mpisoloky nikasa hangalatra tany. Miara-miasa amin’ny mpitsara iray ao an-toerana sy naka mpisolovava tao ihany, namorona taratasy nahafahany mandray ny fitantanana ny orinasa rehetra anatin’io tany voalaza […]
Mpanakalo vola vahiny : Lehilahy iray notifirin’ny jiolahy teo Analakely
Maty notifirin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana 59 taona, mpanakalo sy mpikirakira vola vahiny, omaly. Tompon’antoka ny jiolahy miisa fito tsy nisaron-tava. Jiolahy fito tsy nisaron-tava ireo nanafika tao amin’ny tsenan’ity raim-pianakaviana ity tokony ho tamin’ny 9 ora sy 30 mn maraina, tetsy amin’ny pavillon Analakely. Niditra tao an-tsena ireo jiolahy efatra […]
Sary hosodoko : Asa tanana mitondra anjara biriky amin’ny sehatry ny fanabeazana
Kolontsaina iray anisan’ny manana ny anjara toerany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny hafatra entin’ny sary hosodoko. Antony iray mahatonga ny mpanao asa tanana manao izany ary ny fanjifan’ ny olona azy ireny. Manabe sy mitaiza toe-po sy toe-panahy ho an’ny olon-drehetra ny haikanto, anisan’izany, ny hafatra entin’ny sary hosodoko. […]




