Taratra

TARATRY ny KANTO

Grey, eny amin’ny La Teinturerie Ampasani­malo. Tarika iray mivoy ny gadona metal, ivondronana tanora manan-talenta ny Grey. Hizara ny sanganasany anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ry Navalona eo amin’ny feo, Mandrindra amin’ny gitara beso, Ny Aina amin’ny amponga maroanaka ary i JT eo amin’ny gitara. Efa manana hirany manokana […]

Nix Band sy Slaide: Hizara ny revy Metallica ranofotsiny

“Metallica Celebration”. Izay no anaran’ilay seho ho­tontosaina rahampitso 1 fe­broary, manomboka amin’ny 4 roa etsy amin’ny Kudeta, Carlton Anosy. Hamerina sy hizara ireo revin’ny tarika Me­tallica ranoiray ry Nix Band sy ny tarika Slaide, mandritra izany. “Tena fanomezam-boninahitra ny Metallica avy aminay mpiondana io, sady fiarahana amin’ireo mpankafy an-dry zalahy […]

Njara Marcel: “Anatin’ny tononkira no handonana ny fon’ny olona”

Tafiditra tanteraka anatin’ny laza i Njara Marcel. Tsy mora anefa ny lalana nolalovany tamin’izay. Tafa fohy, teo anelanelan’ny fandraisam-peon’ny hira vaovao, nifanaovana taminy. Gazety Taratra(*): Efa mi­petraka izao ilay anarana Njara Marcel. Azo fintinina ve ny lalana tao anatin’ny mozika nandritra izay? Njara Marcel (-): Eny. Na­nomboka ny taona 2012-2013 […]

Lany andro: Mila havaozina ny taranja malagasy

Mianatra « malagasy » mandritra ny 12 taona, kanefa, tsy mahay teny malagasy. Mia­natra « malagasy », kanefa, tsy mahay manonona teny malagasy ny taranaka Mala­gasy. Tsy mahay manavaka ny « dr » sy ny « j ». Ny « An­dri­a­manitra » lasa « Anjemani­tra ». Ny « ianareo » nanjary « iana­rrrrrreo ». Mianatra « malagasy », kanefa, manana fotom-pisainana vahiny ny zaza sy ny an­kizy ary […]

Tantara foronina: Manomboka maka tahaka ny Malagasy

Any amin’ny Radio no ahatarafana fa manana mpanoratra tantara mitohy ihany ny Mala­gasy na dia somary vitsy aza izy ireny raha oharina amin’ny mpanoratra tononkalo. Mitombo tsikelikely, anefa, ny tsikera momba azy ireo. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny fakana tahaka amin’ireo tantara na sarimihetsika vahiny. Na tsy miharihary tanteraka aza, […]