Nifarana ny volana jolay lasa teo ny fakan-kevitra nasionaly, natomboka ny volana febroary lasa teo, tany Antsirabe, izay nataon’ireo tanora manana fahasembanana momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana. Nisongadina fa misy olana ny fisitrahan’ireo sokajin’olona ireo momba ity zo ity ka manao antso ho an’ireo firaisamonim-pirenena sy ny fitondram-panjakana […]
Taratra
Fanilon’i Madagasikara: Ankizivavy 50 marisika amin’ny sehatry ny siansa
Ao anatin’ny sahanasa ataon’ny Yess Girl izay manao fifanakalozana eo amin’ny Fanilon’i Madagasikara ny Stem na ny Science, Technology, Engineering, Mathematics. Tanjona ny fampirisihana ny ankizivavy hisehatra bebe kokoa amin’ny siansa sy fikarohana manome lanja vokatra ara-tsiansa. Samy nanomana tetikasa mivaingana ireo ankizivavy teo anivon’ny Fanilon’i Madagasikara. Misy ny nanao […]
Fondation Axian : Tohanana hahaleo tena ara-tsakafo ny Akany Mamitiana
Noho ny ezaka misongadina ataon’ny foibe fitaizana zaza kamboty sy sahirana na ny Akany Mamitiana eny Ambohimangakely dia nanao tolo-tanana ny Fondation Axian. Nanome kubota na milina enti-miasa amin’ny famokaram-bary ho an’ny Akany Mamitiana eny Ambohimangakely ny Fondationa Axian. Tanjona ny hahafahan’ny akany mahaleo tena ara-tsakafo ary tsy hiankin-doha intsony […]
Atletisma – Mada 2026: Norombahan’ireo atleta an’Atsimo Andrefana ny volamena
Nifarana omaly, teo amin’ny Kianjan’Alarobia, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja atletisma, sokajy tanora. Nanjakan’ireo atleta avy ao amin’ny ligin’Atsimo Andrefana tanteraka ny fifanintsanana nasionaly ary izy ireo no nitana ny laharana voalohany, rehefa nandrombaka medaly miisa 41 volamena, 18, volafotsy 8 ary alimo 15. Nihonona amin’ny laharana faharoa […]
Kitra – Olana fifindrana mpilalao: Miandry fifampiresahana ny FC Rouge
Niresaka mahakasika ny raharahan’ilay mpilalao nifindra mangina tatsy Seychelles, ny ekipan’ny FC Rouge, tompon’ny amboara farany teo, ny sabotsy lasa teo, tetsy Alarobia. Tsy nahazo taratasy fahazoan-dalana tamin’izy ireo ity mpilalaony ity, ka mbola miantso fifampiresehana anatin’ny fotoana voafetra ry zareo. Raha tsy misy izany, hijery ny lalàna mifanaraka amin’izany […]





