Norombahin’i Madagasikara fanindroany ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe olon-droa miaraka lahy sy vavy “junior”. Resin’izy ireo tao amin’ny kianja filalaovany i Espagne. Naharitra 95 mn ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Mbola voatazon’i Madagasikara ny anaram-boninahitra ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, olon-droa miaraka lahy sy vavy, sokajy […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Tsara ny vokatry ny jono nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona. Nahazo fankatoavana tsenambarom-panjakana miisa efatra, famokarana hazandrano 55 583 taonina (t) ary fanondranana 5 891 t. Nahatratra 16,85 miliara Ar ihany koa ny vola nampidirina tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Zana-trondro maherin’ny 1,15 tapitrisa no nozaraina ary mpisehatra 13 726 no nahazo […]
Tsenam-baro-panjakana: Aloa tsy ho ela ny trosan’ireo mpandraharaha
Nanome toky ny handoa ny trosan’ireo « prestataires » sy orinasa tsy miankina niasa tamin’ny fanjakana ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo. Nivoitra izany nandritra ny jeritodika isaky ny enim-bolana ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana, ny zoma teo, teny amin’ny CCI Ivato. « Eo am-panaovana fanadihadiana ireo antontan-taratasy sy fanamarinana […]
Jirama : Haka sary ny kaonteran-jiro sy rano
Hidina eny anivon’ny tokantranon’ny mpanjifa tsirairay manomboka amin’ity volana ity ny ekipan’ny jirama. Haka sary ny fitaovam-pandrefesana jiro sy rano izy ireo. Hetsika tafiditra anatin’ny fanatsarana ny tolotra sy fifandraisana amin’ny mpanjifa. Kendrena ny hampidirana izany ao anatina rafitra informatika sy ahafahana manadio ny tambazotra famantsiana jiro sy rano, araka […]
Tetikasa Volobe : Natolotra teny amin’ny Antenimierampirenena
Mitohy ny fanatanterahana ny Tetikasa Volobe. Nihaona sy nampahafantatra ny fivoaran’ny tetikasa sy ireo dingana manaraka mbola hatao tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe (CGHV). Ny zoma teo, nanao jeritodika ny fivoaran’ny tetikasa tamin’ny filohan’ny Antenimierampirenena ny ekipan’ny CGHV. Hetsika hanohizana ny dinika amin’ireo […]





