Taratra

Tohivakan’ny Fahamarinana: Miady amin’ny kolikoly ny kristianina

Hanatanteraka fanompoam-pivavahana ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, ny alahady izao, ny tambajotran’ny kristianina malagasy miady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana eto Madagasikara. Hanamarika ny fandraisan’ izy ireo anjara amin’ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny kolikoly isaky ny 9 desambra ny hetsika. Misy mpikambana anarivony manerana an’i Mada­gasikara, izay maneho ny fahavononany […]

Ady amin’ny famarinana olombelona: Nohavaozina ny lalàna fiarovana ireo niharany

Nasiam-panavaozana ny lalàna lah-2014-040, ny 20 janoary 2014, momba ny ady amin’ny famarinana olombelona. Nandinika izany ny bi­raom-pirenena misahana ny ady amin’ny famarinana olo­na, ny volana novambra teo. Ampahany amin’ny ezaka ataon’ny BNLTEH ho fanamafisana ny ady iarahana amin’ny fandraisan’anjaran’ireo minisitera sy ny sampandraharaha isan-tsokajiny voakasika ihany no vita fa […]

Akany Fialofana Ambalavao Isotry: Mpibata entana sy mpivarotra harona plastika ny ankamaroany

Toerana itobian’ireo tsy manan-kialofana ny akany Fialofana etsy Isotry. Olona tena sahirana mivelona amin’ny asa an-tselika, misakafo tapakibo na mandry fotsy mihitsy aza no ao. Olona 400 mahery no matory isan’alina, ao amin’ny akany Fialofana, ex Madcap, etsy Ambalavao Isotry, raha ny fanazavana nentin’ny lehiben’ny akany, Ihaga Mahery. Vehivavy mananontena […]

Diaben’ny SPSM: Navondrona ny mpiasa rehetra

Nanatanteraka diabe niainga teo amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha hatreny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny fikambanana SPSM, omaly. Fikambanana ivondronan’ny mpiasa rehetra misehatra amin’ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy ihany koa ny fanolorana amboara ireo fikambanana nandresy tamin’ny lalao fanatanjahantena nokarakarain’izy ireo teto Analamanga. Nanolotra ny loka ho azy ireo, tamin’izany, […]

INDRAY MIJERY

Nandefa lakana haingam-pandeha roa, ny iray avy any Sofia ary ny iray avy aty Antananarivo, ho any Ambilobe ny BNGRC hitatitr’olona. “Efa nisokatra ny deviation, passage à gué, ao amin’ny renirano Mahavavy, ahafahan’ireo fiara sy olona miampita”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC. “Roa ka hatramin’ny dimy ny rivodoza mety handalo […]