Taratra

FANTINA sy FINTINA

Zatovo mbola miala sakana ny toetra ananan’ny vahoaka malagasy, ka mbola ka fanjakana tokana « Etat unitaire décentralisé » aloha izao no mety amintsika, araka ny nambaran-dRazafiarison Laza. Nambarany fa rehefa matotra ny toe-tsain’ny Malagasy vao afaka miresaka federalisma izany. « Maharitra 200 taona ny fiovan’ny toe-tsaina », hoy izy. Manolotra safidy roa, fanjakana […]

Filoha nasionalin’ny MMM : « Aoka isika tsy hanaiky hozarazaraina… »

Nitohy tany amin’ny faritra Vatovavy, natao tao Ma­nanjary ny fikaonandohan’ny antoko Malagasy miara-miainga ny faran’ny herinandro teo. Naneho ny tanjany sy ny heriny ity antoko ity tany an-toerana ary mbola nanamafy hatrany ny fametrahana ny « Faritra mahazaka tena ». Nahitsy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, tamin’ny lahateniny. « Tsy azo zarazaraina […]

Fahavetavetana ny fiainam-panahy 

  Somary nangingina tato ho ato ny zaza sy ny olon-dehibe very. Ny hita sy ny mody ho azy izao no maro an’isa. Nahomby ny fotoam-bavaka natao tetsy Analakely, nandroahana ny devoly nakany ivelany. Maika manaporofo izany ny fahasahiana nataon’ny fitsarana nisava sy nanagadra ireny olona anatin’ny fikambanana miafina ireny. […]

Fikaonandohan’ny tanora : “Hatolotra ny FFKM ny fehin-kevitra”, hoy ny Kly Randrianirina Michaël

Nifarana ny sabotsy teo ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora, natao teny Ivato. Nisy ny hafatra nampitain’ny filohan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’izany. Notsiahiviny fa tsy misy ny fanavaozana raha tsy miaraka amin’ny tanora. Anisan’izany ny tolona natao tamin’ny taon-dasa, niarahana tamin’izy ireo ka namadihana ny pejin’ny tantaram-pirenena. « […]

TSELATRA

Lavon’ny balan’ny zandary teny Ambohiman­ga Atsimo, ny alakamisy 30 jolay 2026 teo, tamin’ny 11 ora atoandro, ny dahalo miisa telo. Azo sambo-belona ny dimy hafa, afakomaly tamin’ny 12 ora alina. Nikasa hanafika ny tanàna tany an-toerana ny dahalo manodidina ny 15 isa. Nirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra ary sakaosy izy ireo. […]