“Betsaka ireo lalana feno lavadavaka, mbola maro ireo toerana misy fako. Ny fanadiovana aloha no laharam-pahamehana, alamina faran’izay azo atao”. Io ny nambaran’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), Ralambomanana Feno, tamin’ny mpanao gazety taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana, Rajonson Zaratiana Finaritra, teny amin’ny […]
Taratra
Varoboba sy mangarahara
Nahoraka sy nampametra-panontanina ny fahitana ny fiaraminidina manokana maromaro tany Toliara. Tena hoe niaka-danja ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Nampitolagaga ny hatsarany sy ny haavo lentan’ireto fitaovam-pitaterana. Mainka mampiteny ny moana ihany koa ny firodorodon’ny mpikambana tao amin’ny governemanta nakany an-toerana. Efa nampiaka-peo ny firaisamonim-pirenena amin’ny filibalibana. Noho ny tsy fisian’ny […]
Minisitra Ernaivo Fanirisoa : “Misy ifandraisany ny Raharaha Kly R. Patrick sy ny Gen Z”
Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, omaly, teny Tsimbazaza. Nambarany tamin’izany fa misy ifandraisany ny ”Raharaha Kly Rakotomamonjy Patrick sy ny Gen Z. “Tiana ny manazava ny saim-bahoaka fa ireo tanora voatazona dia voarohirohy amina raharaha voalaza teo aloha”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo […]
TSELATRA
Tovovavy maromaro mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray ao Mandritsara no voan’ny ambalavelona, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Miantso ny anaran’ny tovolahy iray antsoina hoe : Jean Pierre avokoa izy rehetra ireo. Nidina an-tsehatra nisambotra an’io lehilahy voatonona anarana io ny polisy taorian’izay. Efa eo am-pelantan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana. Lehilahy […]
Ambohibao-Antehiroka: Voasambotra ireo efa-dahy nangalatra moto
Niara-voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Antehiroka, ireo mpiasa efa-dahy nangalatra moto an’ny mpampiasa azy, tao Ambohibao, afakomaly. Niasa tao amina orinasa iray ireo efatra mirahalahy ireo. Nametrahan’ny mpampiasa fitokisana izy ireo ka samy niandraikitra moto iray avy isanisany. Tsy naverin’ireo olona tao amin’ny orinasa intsony anefa ny moto […]




