Taratra

INDRAY MIJERY

Misy faritr’andro ratsy arahi-maso akaiky ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, raha ny voalazan’ny Meteo Madagascar. Heverina ho hita soritra mazava izany amin’ny alarobia izao. Amin’ny ankapobeny, ho mora ny fiforonan’ny oram-baratra manerana ny Nosy. Tsy hisy fiovana misongadina kosa ny maripana. Nanatanteraka fanadiovana niaraka tamin’ny mpamafa làlana, mpamonjy voina, polisy monisipaly, […]

Lalana eny Alarobia : Ampiarahina ny fanadiovana sy ny fanamboarana

Mirotsaka an-tsehatra eny amin’ny Rond-point Alarobia ireo ekipa teknika maromaro nanadihady ny antony mahatonga ny fahasimban-dalana ma­tetika eny an-toerana. Hita, tamin’izany, fa misy lalan-drano voasakana ao anatin’ny faritra nanaovana ny asa teo aloha. Nampihan­drona ny rano izany ka niteraka fahasimban-dalana indray. Tsikarika koa fa tsy ampy sy tsy maharaka ny […]

Oniversiten’Antananarivo : Heverina ny hisian’ny Fakiolten’ny farmasia

Mikasa ny hanorina fotodrafitrasa vaovao eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny fondation Pierre Fabre sy ny fondation Mérieux. Toerana ho an’ny Fakiolten’ny farmasia mahaleo tena fa tsy misy ifandraisany amin’ny Fakiolte mampianatra ho mpitsabo no heverina hatao amin’izany. Mikendry ny hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ary manome sehatra ho an’ireo tanora maniry […]

Besarety : Diovina ny tatatra hampihenana ny tondradrano

Lalana be mpampiasa ny eny Besarety. Tsy azo andehanana anefa rehefa avy ny orana satria dibo-drano tanteraka. Diovina ny tatatra eny an-toerana hampihenana izany tondradrano izany. Ifarimbonan’ny BNGRC sy ny Apipa ary ny SMA miaraka amin’ny Kaominina An­tananarivo Renivohitra ny fa­nadiovana ny lakandrano eny Besarety. Atao amin’ny alina ny fanadiovana […]

Tournoi Rugby à VII, sokajy lehilahy: Tompondaka ny Cosfa (Bebaoty)

Tontosa omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny “Tournoi” rugby lalaovina olona 7, lehilahy, karakarain’ny Malagasy Rugby. Voahosotra ho tompondaka ny Cosfa (Bebaoty) rehefa nandresy ny 3FAI/CRAI nitambatra. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa mazava, 12 no ho 7, ireto ekipan’Ambalavao Isotry ireto. Hita nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny hakingana ny […]