Nafotaka ny fotoam-panokafana ny fankalazana ny herintaona nisian’ny hetsika “Gen Z”, izay niafara tamin’ny fionganan’ny mpitondra teo aloha. Fety nialohavana fotoam-bavaka izany. Andaniny, misy ny faly. Ankilany, mbola maro no mitomany sy malahelo noho ny hadisoam-panantenana. Nivadika manko ny rasa. Ny mpitolona sy ny mbola mitady ny tena fanovana […]
Taratra
Hetsi-pahatsiarovana : Misara-kevitra ny tanora mpitolona
Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena, ny tsingerin-taonan’ny tolona 2025. Misara-kevitra momba izany anefa ireo tanora mpitolona. «Izahay filohan’ny mpianatra avy eny Vontovorona sy Ankatso, angady nananana sy vy nahitana ny tolona tamin’ny 25 septambra 2025 dia mahatsiaro tena sy matahotra». Io ny nambaran’ny solontenan’ny mpianatry ny oniversite […]
TSELATRA
Naharenesana poa-basy intelo tetsy Ambalavao Isotry, 15 km miala ny biraom-pokontany Ampefiloha, afakomaly, tamin’ny 6 ora latsaka fahefany. Notafihin’ny jiolahy miisa telo teny an-dalana ny lehilahy mpamongady iray. Nianjera tamin’ny tany ilay lasibatra sady notifirin’ireo jiolahy tamin’ny basy. Voaroba ny vola iray sakaosy teny aminy. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny […]
Aretina hafahafa : Tsy ampy ny mpitsabo, 45 ny namoy ny ainy
Tafakatra 45 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny trangan’aretina hafahafa any amin’ny kaominina telo, any amin’ny disitrikan’Ifanadiana, raha ny tatitra navoakan’ny depiote voafidy tany an-toerana, omaly. Anisan’ny ahitana izany, ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasinambo sy Fasitsara ary Maroharatra. Misy namoy zanaka telo sy efatra ny ray aman-dreny iray. […]
Anjozorobe : Ramatoa hita faty tao an-tranony
Natory tsy nifoha! Namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray nonina tao Foharamanana, fokontany Ambohibeloma, kaominina Anjozorobe, omaly maraina. Mpiara-monina no nahita ny vatan’ity ramatoa ity tsy nisy aina intsony teo ambony fandriany. Naharay fampahafantarana ny mpitandro filaminana momba ny tranga fahitana fatin’olona. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ny tomponandraikitra eo […]




