Taratra

Governora Rasoamaromaka Hery: “Hiara-hiasa akaiky amin’ireo ben’ny Tanàna izahay”

Vita ny fifidianana. Maro anisa ny olom-boafidy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Manaporofo ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana izany. Naneho fahavonona ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Hiara-hiasa akaiky amin’ ny ben’ny tanàna vaovao ny faritra Anala­man­ga. Toky nomen’ny governoran’ny faritra Anala­manga, Rasoa­maromaka Hery izany, omaly, tetsy Ambohidahy. Zava-dehibe rehefa olona afaka […]

TSELATRA

Zazarano narian-dreniny tao anaty tatatra teny amin’ny 67 Ha Atsinanana, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Zaza ahina ho nesorina io hita faty io. Natsipy tany anaty lalan-drano izy ka notsindrohan’ny alika. Zaza mianadahy iray tampo namoy ny ainy natelin’ny rano tao amin’ny reniranon’i Linta, kaominina Androka, distrikan’Ampanihy Andrefana, ny 26 […]

Fanolan-jazalahy 4 taona: Mitaky ny hampiharana ny sazy ny fianakaviany

Mitaky ny hampiharana ny sazy ho an’ireo roa lahy izay efa notanana eny Tsiafahy sy ilay eny amin’ny fonjan’ny zaza maditra eny Anosiala, ny fianakavian’ilay zazalahy 4 taona voaolana. Nihemotra hatrany ny fitsarana ny raharaha nahavoasaringotra ireo roa lahy tamin’ny fanolanana teny Ambohimangakely, ny 16 desambra lasa teo. Zazalahy 4 […]

Niara-nifety : Olona dimy maty nilatsahan’ny varatra

Tokantrano iray tany amin’ny fokontany Vinanitelo Centre, kaominina ambanivohitra Vinanitelo, distrikan’i Vohibato no nilatsahan’ny varatra, afakomaly tokony ho tamin’ny 7 ora sasany alina. Olona dimy maty vokatr’izany, roa hafa manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly any an-toerana, raha ny tatitra voaray avy amin’ny Compagnie de Brigade avy any Alakamisy Itenina. Nisy […]