Taratra

Kaominina Talata Ampano: Nitondra tohana ny fanjakana

Nitondra ny voin-kava-mahatratra avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ireo olona traboina any amin’ny fokontany Tanandava, kaominina Talata Ampano, distrikan’i Vohibato, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Trano 11 no may tao amin’ity fokontany ity. Maro ireo olona traboina, rava fananana ary tena lasa miainga amin’ny tsy misy mihitsy. […]

« Caisse école » : Mangarahara ny fitantanana, tonga ara-potoana ny vola

Efatra taona lasa, tsy nisy ny fangaraharana ny fitantanana ny “caisse école”. Tohana omenan’ny fanjakana ny sekoly ary kirakirain’ny Feffi izany. Tara lava rahateo ny fahatongavany eny anivon’ny sekoly. Efa nihatsara ny zava-misy ho an’ity taom-pianarana ity. Tonga ara-potoana ny vola sady mangarahara ny fitantanana azy. Nitombo ny tahan’ny fangaraharan’ny […]

Vovonana Firaisankina :”Aoka tsy hanilika andraikitra…”

Nambaran’ny filoha na­sionalin’ny antoko HVM, Rakoto­vao Rivo, eo anivon’ny Vovo­nana Firaisankina fa tonga amin’izao ny firenena noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. “Ailika amin’ny fanoherana hatrany ny tsy fahombiazan’ny mpitondra eo amin’ny fitantanana”, hoy izy, omaly, teny Faravohitra. Notanisainy tamin’izany ireo zava-misy sy ny olana amin’izao fotoana izao. Anisan’ izany ny […]

Fandaharanasa Loharano: Hidina eny ifotony ireo tanora Diaspora

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, ny fandaharanasa Loharano II, ho an’ny taona 2025. Notanterahina te­tsy amin’ny minisiteran’ny Ra­ha­­raham-bahiny (MAE) izany ka namariparitana ny tetikasa manaraka, ho amin’ny filatsahana an-tsitrapo eo anivon’ny Loharano II. Nampahafantarina tamin’izany fa ho avy ireo tanora, teratany malagasy avy any ivelany, Diaspora, miisa 15 mianadahy. “Hiparitaka […]

Antoko Leader Fanilo: “Vonona ho amin’ny fampivondronan-kery izahay”

Nanao fanambarana ny antoko Leader Fanilo. Nilaza ny fahavononany amin’ny hetsika izay nolazainy ho amin’ny rariny sy hitsiny ny mpikambana ao aminy. “Mihaino ary vonona hisalahy amin’ny hetsika fampivondronana ny hery velona mitodika any amin’ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny izahay”, hoy izy ireo. Vonona hitondra ny anjara birikiny […]