Hotanterahina ny 15 febroary ka hatramin’ny 5 marsa izao, ao amin’ny Alliance Française Antananarivo Andavamamba ny « Championat de lecture », andiany faha-7. Fifaninanana hitiliana izay mahay mamaky teny frantsay. Mizara sokajy telo ny mpifaninana. 9 ka hatramin’ny 12 taona. 13 taona ka hatramin’ny 17 taona ary ny mihoatra ny 18 taona. […]
Taratra
“Mondiacult 2025”: Hamaritra ny politikan’ny kolontsaina maneran-tany
“Inona no entin’ny kolontsaina amin’ny fampandrosoana maharitra?”. Lohahevitra iray lehibe, iompanan’ny “Mondiacult 2025” io. Hanana anjara amin’izany Fikaonandoha izany i Madagasikara. Fotoan-dehibe ho an’ny sehatry ny kolontsaina maneran-tany. Hotontosaina ny 29 septambra hatramin’ny 1 oktobra izao, any Barcelone, Espagne, ny “Mondiacult 2025”. Fihaonana an-tampony lehibe indrindra, hamaritana ny politikan’ny kolontsaina […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 433 ireo orinasa niforona tao anatin’ny telo volana faran’ny taona 2024. Nahitam-piakarany 20,2% izany raha oharina ny tamin’ny taona 2023. Orinasa malagasy avokoa ny 70% ireo vao niforona raha tantanina teratany vahiny ny 30%. Mitana ny laharana voalohany ireo misehatra amin’ny sokajy fahatelo izay mahatratra 81,1%. Hampiroboroboana ny lafiny […]
Kodiaran-droa : Hamoraina ny fividianana moto
Miroborobo ny fampiasana kodiaran-droa, noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ilaina ny moto vaovao satria azo antoka sy mifanaraka amin’ny toetry ny lalana eto amintsika. Nampahafantarina, omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny orinasa Be Moto sy ny banky Sipem. Nitarika ny fotoana ny tale jeneraly lefitra misahana ny fampandrosoana, Randriatsimialona Lanja, sy ny […]
Tsy maintsy…
Hanomboka anio dia hientanentana indray aloha ny mpitia baolina kitra andaniny, ny vahoaka malagasy tsivakivolo ankilany. Miala any ny mpanazatra vaovaon’ny ekipan’ny Barea, sokajy A. Samy miandry hoe iza no izy? Ny anarana aloha efa nandehandeha teny amin’ny tambajotran-tserasera. Izy rahateo efa eto an-toerana hatry ny omaly. Sasa-miandry ny […]