Momba ny zava-misy any Atsimo amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, « tokony hanana drafitrasa matipaika ny Ofisim-pirenen’ny fanjarian-tsakafo (ONN) amin’ny fandrindrana ny asa rehetra », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Vovonana Hina. Ho an’ny firaisamonim-pirenena manokana, mitohy ny asa fanentanana eny ifotony. Tokony harindra ireo mpisehatra ary tsy tokony hivangongo amin’ny distrika iray ny asa […]
Taratra
Fadimbolana sy ny fahadiovana : Hampahafantarina mandritra ny roa andro
Hisy hetsika hotanterahina ny 23 sy 24 avrily ho avy izao, amin’ny toerana efatra dia i Mahajanga, Toamasina, Antsiranana ary Antananarivo, momba ny fadimbolana sy ny fahadiovana manodidina izany. Tanjona ny hampahafantarana izany satria tsy mbola azo resahana malalaka izany eto amintsika. « 39% ny tovovavy no nanambara fa tsy tokony ho […]
Rivodoza Fytia sy Gezani : Miditra amin’ny fanarenana i Madagasikara
Taorian’ny nandravaravan’ny rivodoza Fytia sy Gezani, ny volana febroary lasa teo, nahakasika distrika 29 sy faritra fito, miditra amin’ny dingana fanarenana sy fanavaozana maharitra i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny BNGRC, ny fanokafana ofisialy ny fiofanana momba ny fanombanana ny filana sy ny fahasimbana […]
Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : « Ilaina ny fitsinjaram-pahefana amin’ny asa », hoy ny Hina
Nidina ho 37% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona, raha nahatratra 41,6% ny taona 2018. Vokatry ny dinika momba ny toe-piainan’ny ankohonana (Mics 2024-2025) izany. Anisan’ny nandray anjara mivantana nahazoana ny vokatra ny mpikambana amin’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (Hina). Nanatontosa hetsika maro […]
ASIEF 2026 : Tsy misy fiovana ny fifaninanana
Manoloana ny tsaho miely mahakasika ny Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief), nanao fanambarana ny birao mandrafitra azy ireo, ny sabotsy lasa teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy manaiky izany fanelezana tsaho izany izy ireo ary manamafy fa tsy misy fiovana ny fandaharam-potoana hotanterahina any Manakara, amin’ny volana […]




