Sekoly 15 manerana ny Dren Boeny, Atsimo Andrefana ary Anosy no notoloran’ ny orinasa Airtel fitaovam-pifandraisana na “Box” ahafahan’ireo mpianatra sy ireo mpampianatra miditra ao amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mandranto ireo loharanom-panabeazana isan-tsokajiny amin’ny endriny samihafa. Natao ny volana febroary 2023 ny fifanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa teo amin’ity minisitera ity sy […]
Taratra
Boriborintany IV : nofanina momba ny niomerika ny vehivavy
Natomboka omaly ny fampiofanana ireo fikambanam-behivavy etsy amin’ny boriborintany fahefatra mahakasika ny fikirakirana ny teknolojia moderina. Haharitra 3 volana ny fampiofanana ao amin’ny “Maison digitale pour les femmes”, hifehezana ny fitaovana niomerika sy ny fivelarana maha olona. Tanjona ny hifehezan’ireo mpisitraka ny fikirakirana ny fitaovana manaraka ny teknolojia toy ny […]
Ranotrambo niseho tany Benenitra : olona iray maty, dimy tsy hita popoka
Taorian’ny fidinan’ny tomponandraikitra nijery ny vokatry ny ranotrambo niseho tany Benenitra, nivoaka ny tatitra ofisialy avy amin’ny BNGRC. Iray ny olona maty vokatry ny fisian’ny ranotrambo tany amin’ny distrikan’i Benenitra, ny fiandohan’ny herinandro teo. Dimy ny olona tsy hita popoka ary dimy hafa avotra soa aman-tsara, araka ny tatitra avy […]
TARATRY ny KANTO
Madagascar Espace – Solo Andrianasolo. « Mahery ny fitia » ny lohahevitry ny seho an-tsehatra hataon’i Solo, anio, manomboka amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny Madagascar Espace Ambohimangakely. Mazava loatra fa manodidina ny fetin’ny mpifankatia hatrany izany, ka hahazo sehatra kokoa ireo hiram-pitiavana. Hitohy amin’ny fanehoana dihy hataon’ireo mpandihin’ny Mada Groupe ny […]
Fimpima- 60 taona: nisokatra omaly ny loabary an-dasy, ivon’ny fankalazana
Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapan’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza, ny loabary an-dasy, ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (Fimpima). Nanomboka omaly ary hofaranana amin’ny fambolen-kazo rahampitso. Ankoatra ny lanonam-panokafana ny ivon’ny fankalazana, hetsika maro no nentina nanamarihina ny fankalazana ka maro ireo manam-pahefana sy tomponandraikitra samihafa niatrika izany. […]