Tanjona ho an’ny federasion’ny Karate do malagasy (FKM) ny hisehatra eo amin’ ny fifaninanana iraisam-pirenena bebekokoa amin’ity taom-pikatrohana 2025 ity. Io no nohamafisin’ny filohan’ny federasiona, Ratefinanahary Emile, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, nandritra ny famaranana ny fampivondronana tapany voalohany ho an’ny mpikatroka sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. […]
Taratra
tompondakan’i afrika aostraly: nahazo fandresena faharoa ny Akomba de Madagascar
Manohy ny fahombiazany hatrany ny Akomba de Madagascar, sokajy U14, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika Aostraly, taranja tenisy. Nahazo fandresena fanindroany ny Malagasy rehefa nandresy an’i Angola. Nitohy omaly, tao amin’ny kianja Windhoek Namibie, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy isan-tarika, sokajy […]
Jean Nirina R. : « Tsy miova intsony ny voka-pifidianana »
Tsy misy voka-pifidianana miova izany intsony eo fa lainga ny ankoatra izay, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Hafari Malagasy, manoloana ny resabe miseholany etsy sy eroa momba ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Nambarany fa any amin’ny adihevitra momba ny tsy faneken’ny mpanohitra ny vokatra navoakan’ny Ceni ve ny resaka amin’izao? […]
Nendran-drajako: nahitana tranga roa tany Sierra Léone
Nanambara hamehana ara-pahasalamana, manoloana ny aretina Mpox na nendran-drajako, ny ao Sierre Léone, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tranga roa no voatily ka nohamafisina ny fanaraha-maso ny sisintany ary nahetsika avokoa ny rafitra hifehy ny aretina, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fahasalamana any an-toerana, Austin Demby. Ny 6 janoary lasa teo […]
« Chan 2025 »: tafara-bondrona amin’i Centrafrique ny Barea
Tontosa tao Kenyatta International Conventional Centre, Nairobi Kenya, omaly alarobia, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao milaravinahitra na ny «Chan 2024». Tafaraka ao amin’ny vondrona «B» ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves, Centrafrique. Tsy vaovao amin’ny Malagasy […]




