Nanatanteraka fihaonana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny fiandohan’ ny herinandro teo. Fihaonana izay notarihin’ny profesora Chaminah Loulla sy ny mpiara-miasa aminy. Natolotra nandritra izany ireo vina sy ny tetikasan’ny minisitera efa an-dalam-panatanterahana sy ireo mbola ho avy. Miompana amin’ny laharam-pahamehana […]
Taratra
Hanara-maso ny fivarotam-panafody : Hiasa avy hatrany ireo pharmaciens inspecteurs 20
26 taona lasa no nisy fivoahana pharmaciens inspecteurs nahazo fiofanana farany teto Madagasikara. Ireo mbola am-perinasa kosa, efa lasa nisotro ronono avokoa, ny taona 2020. “Tao anatin’ny efatra taona farany, tsy nanana pharmaciens inspecteurs intsony ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ka natao laharam-pahamehana ho an’ny minisitera ny fanofanana”, hoy ny minisitry ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Rehefa nahazo mari-pahaizana sy nandrato fianarana tany ivelany, i Faneva Ima, Malagasy mpilalao baolina kitra, nanambara ny tenany, ny afakomaly, teo fa vonona amin’izay izy ny hitondra sy hitantana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsiahivina fa i Faneva Ima no nitondra avo ny Barea nandritra ny Can 2019 tany […]
Mpanazatran’ny Barea : Ho fantatra amin’ny alakamisy ho avy izao
Araka ny vaovao voaray avy eny anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, hampafantarina ny alakamisy ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny mpanazatra vaovao hitondra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Marihina fa efa milamina avokoa ny fifanarahana rehetra ary efa omaly ihany ilay teknisianina vaovao ity, no […]
Basikety 3 x 3: Elly sy i Rondro N°1 malagasy
Navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny basikety (Fiba), tao amin’ny tranonkalam-pifandraisany, omaly, fa laharana voalohany amin’ny mpilalao basikety lalaovina olona 3 x 3 eto Madagasikara, Randriamampionona Elly sy Raherimanana Rondro Emeranchine (Chine). Samy mpilalaon’ny GNBC avokoa izy mianadahy ireo ary mandrafitra ny Ankoay de Madagascar. Lojika izany raha ny tarehimarika sy ny zava-bitan’ireto mpilalao […]