Taratra

Eglizy Katolika – Sainte Marie : Mitohy ny tetikasa fanoratana ho harembakoka maneran-tany

Miroso ny asa. Arahina isan’ambaratonga ireo takina rehetra, hampidirana ny Eglizy Katolika ao Ambodifotatra, Sainte Marie, ho harembakoka iraisan’izao tontolo izao an’ny Unesco. Efa betsaka ny vita, saingy mbola misimisy ny dingana miandry. Mito­hy hatrany ny tetikasa ho fa­noratana ny Eglizy Katolika voalohany teto Madagasikara, ho ao anatiny lisitry ny […]

TSELATRA

Mpianatra 14 naratra vokatry ny tora-bato sy fifamonoana tao amin’ny tranon’ny mpianatra, tany Ambondrona, afakomaly alina. Maro ihany koa ny trano sy fotodrafitrasa simba vokatr’izany. Ady toerana hanaovana fivarotana, teo amin’ny samy mpianatra avy any amin’ny faritra Sava sy Sofia ny anton’ny olana, raha ny fanazavana voaray. Efa mandray andraikitra […]

Fangalarana tetsy Analamahitsy : Tompon’antoka ny mpanampy an-trano

Tra-tehaky ny polisim-pirenena etsy Analamahitsy Cité, afakomaly tamin’ny 2 ora atoandro, ny mpanampy vavy iray sy lehilahy iray hafa namany. Voasambotra noho ny halatra sy fandraisana entana tsy ara-dalàna ka antony nisamborana ireto farany. Avy nangalatra entana tao amin’ny tokantrano iray niasany, teny an-toerana, ity tovovavy mpiasa an-trano ity. Tonga […]

Avy ao amin’ny mpitsabo : Lehilahy maty tampoka teny an-dalana

Lehilahy 35 taona namoy ny ainy tao amin’ny kaominina Mandritsara Renivohitra, omaly tolakandro, tamin’ny 4 ora sy sasany. Azon’ny tsy fahasalamana io lehilahy io. “Efa taizan’aretina izy ary tsy salama matetika”, hoy ny loharanom-baovao. Nandeha nanaraka fitsaboana teny anivon’ny mpitsabo io lehilahy tsy salama io, omaly. Nianjera tampoka tamin’ny arabe […]

Notafihan’ny jiolahy : Ramatoa 70 taona hita faty notapahan-doha

Renim-pianakaviana iray hita faty rehefa nentin’ny jiolahy ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, tao Antsirabe II, afakomaly. Notapahan’ireo tsy valahara ny lohan’ny renim-pianakaviana iray 70 taona, tao amin’ny fokontany Vohikely, kaominina So­han­drariny, distrikan’Antsirabe II, ny alin’ny alahady 01 jona teo. Jiolahy 15 lahy nitam-piadiana nanafika tao amin’io ramatoa io, tamin’ny […]