Nitohy tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny fizarana ny tohana avy amin’ny fitondram-panjakana ao anatin’ilay tetikasa “Mifampitsimbina”. Ireo mponina ao anatin’ny boriborintany fahadimy indray no nahazo ny anjarany, omaly. Vary iray gony, menaka 1l, ronono mandry, paty 6 ary sardine 6 boaty no azon’ny tokantrano tsirairay. Vao mangirandratsy dia efa nitandahatra […]
Taratra
Akany Fialofana : Novatsiana fitaovam-pidiovana
Nitondra fitaovana entina manadio ny toerana etsy amin’ ny akany Fialohana, Ex Madcap, Ambalavao Isotry, ny Fondation Axian, omaly. « Noho ny fahitana ny tsy fahatomombanan’ny fahadiovana izay miteraka tontolo marisarisa ho an’ireo olona monina ao no antony nanaovana izao hetsika izao”, hoy ny tomponandraikitra. Ankoatra ny kifafa sy ny savony […]
Famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy : Mampitovy fomba fijery ny mpanao gazety 67 aty Afrika
Manana andraikitra mahakasika ny famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy ny mpanao gazety. Misy ny fivoriam-paritra momba izany atao any Dakar Sénégal, mandritra ny telo andro, izay hifarana anio. Nanomboka ny alarobia lasa teo, any Dakar Sénégal, ka haharitra hateloana ny fivoriam-paritry ny mpanao gazety aty Afrika momba ny famongorana […]
TARATRY ny KANTO
« Vibe Tropical ». Hivadika ho Lapan’ny mozika tropikaly ny Lapan’ny fanatanjahantena, anio. Hanomboka amin’ny 7 ora alina ny fampisehoana, izay hafanain’i L-Jo, Lion Hill, Basta Lion ary i Mr Sayda. Tena fampisehoana feno ny anjaran’ny tarika tsirairay. Haka endrika toeram-pandihizana ankalamanjana kosa ny eny amin’ny “esplanade”, izay hafanain’i Dj Looping, manomboka […]
Mitohy ny lalana: Ceasar, ambasadaoron’ny Yas
Raha manonona anarana tanora malagasy mpanakanto malaza amin’izao fotoana, ao anatin’ny 5 voalohany i Ceasar. Mbola manamafy izany lazany izany ny nisafidianan’ny Yas Madagasikara azy ho ambasadaoron’ity orinasan-tserasera ity. Tontosa omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Ankorondrano, ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa vaovao. « Mitombo iray izao ny fianakavian’ny Yas Madagascar. […]