Taratra

TSELATRA

Saron’ny polisim-pirenena tetsy Ambatomalaza Alasora, ny 16 avrily 2026 lasa teo, ny tambajotra, ahi­tana olona efatra, mampiasa sy manararaotra vehivavy hanatanteraka fihetsika mamoafady amin’ny alalan’ny internet. Amidin’izy ireo 50 dolara amin’ny vahiny ny horonantsary iray manodidina ny 20 minitra. Saingy, 10 dolara ihany no raisin’ireo vehivavy isan-kerinandro. Loharanom-baovao avy amin’ny […]

Fanafihana mitam-piadiana: Tovolahy roa tia jerijery voatifitry ny jiolahy

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany amin’ny fokontany Andafi­a­tsimo Ambatolampy, distri­kan’ Antsirabe, ny sabotsy hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka fahefany. Nota­fihin’ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny tokan­trano iray. Nisaron-tava avokoa ireto olon-dratsy tamin’ny fotoana nanatanterahiny ny asa ratsy. Niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano ireo dahalo. Nanambana basy ny […]

Fandrobana ny volam-panjakana: Mitaky ny tohin’ny fanadihadiana ny KFM/Cnoe

Nankasitraka ny fangaraharahan’ny Fitsarana momba ny kaonty araka ny tatitra ny taona 2025 ny KMF/Cnoe, araka ny nambaran’izy ireo ny herinandro teo. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany fa mitentina 3 811 miliara Ar ny very, tsy tafiditra tao amin’ ny kitapombolam-panjakana. Notsiahivin’ity fiarahamonim-pirenena ity ny fanambaran’ireo rafitra mpanara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny […]