Taratra

Rivodoza Fytia sy Gezani : Miditra amin’ny fanare­nana i Madagasikara

Taorian’ny nandravaravan’ny rivodoza Fytia sy Gezani, ny volana febroary lasa teo, nahakasika distrika 29 sy faritra fito, miditra amin’ny dingana fanarenana sy fanavaozana maharitra i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny BNGRC, ny fanokafana ofisialy ny fiofanana momba ny fanombanana ny filana sy ny fahasimbana […]

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : « Ilaina ny fitsinjaram-pahefana amin’ny asa », hoy ny Hina

Nidina ho 37% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona, raha nahatratra 41,6% ny taona 2018. Vokatry ny dinika momba ny toe-piainan’ny ankohonana (Mics 2024-2025) izany. Anisan’ny nandray anjara mivantana nahazoana ny vokatra ny mpikambana amin’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (Hina). Na­na­tontosa hetsika maro […]

ASIEF 2026 : Tsy misy fiovana ny fifaninanana

Manoloana ny tsaho miely mahakasika ny Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief), nanao fanambarana ny birao mandrafitra azy ireo, ny sabotsy lasa teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy manaiky izany fanelezana tsaho izany izy ireo ary manamafy fa tsy misy fiovana ny fandaharam-potoana hotanterahina any Manakara, amin’ny volana […]

Karate : Nosokafana omaly ny seminera ho an’ny “cadres”

Nosokafana omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny seminera natokana ho an’ny “cadres”, ahitana mpanazatra, mpitsara ary mpitantan-draharaha eo anivon’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. Omaly vao nanomboka nisoratra anarana ireo hiatrika ny seminera ka tsy mbola fantatra ny isan’izy ireo, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasionina, Rate­fi­nanahary Emile. Tanjona ny hahazoana “cadres qualifiés”, […]