Taratra

Ambalamanasy : Andian-jiolahy ravan’ny zandary

Ravan’ny zandary ny alin’ny 24 janoary hifoha ny 25 janoary lasa teo, tany Ambalamanasy ny tambajotrana jio­lahy mpamaky trano sy mpanendaka tany an-toerana. Voasambotra vokatr’izany, ny 11 mianadahy. Tsy ampy taona ny enina tamin’izy ireo, vehivavy kosa ny dimy hafa. Nanao fanarahan-dia tovolahy iray mampiahiahy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. […]

Halatra solika amin’ny RN2 : Olona valo lahy saron’ny zandary

Mpangalatra sy mpanampoka solika teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Mpamily sy mpanampy azy miisa valo voasambotry ny zandary. Saron’ny zandary teny Ankarefo, kaominina ambanivohitra Ambodi­ni­­fody, disitrikan’i Moramanga, omaly, ireo fiarabe fito mpangalatra sy mpanampoka solika. Voasambotra tamin’izany ireo mpamily sy ny mpanampy miisa valo. Efa eo am-pelantanan’ny zandary izy ireo amin’ […]

Ligin’ny atletisma Ihorombe : Tanjona ny handrombaka ny laharana voalohany

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Fa­­haleovantena Ihosy ny taom-pilalaovana 2025, ho an’ny ligin’ny atletisma Ihosy. Nambaran-dRavelomanan­tsoa Brillant Fabrice, filohan’ny ligy, fa tanjona ny handrombaka ny laharana voalohany amin’ireo fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara isan-tokony. Anisan’izany ny fifaninanam-pirenena amin’ny “Cross country”, hatao any an-toerana ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hontanterahina ny 1 hatramin’ny 3 marsa izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja karate, ho an’ny sokajy vehivavy sy ny ankizy. Fifaninanana hotontosaina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Ity no fifaninanana voalohany hisantarana ny taom-pikatrohana 2025 ho an’ny taranja karate. Hatao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahama­sina, ny alahady 23 febroary izao, […]

Minisitrin’ny MJS : Manentana ny tanora hamboly hazo

Tonga nanatanteraka hetsika fambolen-kazo, tany Ma­rohogo, faritra Boeny, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, ny sabotsy lasa teo. Tonga nanotrona izany, ny lehiben’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Abdulah Moustapha Marson, izay sady mpiahy ny faritra Boeny. Manoloana ny zava-misy iainan’izao tontolo izao, […]