Taratra

Rasoaniaina Malalatiana : “Mifampiresaka ihany no vahaolana”

“Raha te hitady filaminana isika eto Madagasikara, mifampiresaka ihany no vahaolana. Tsy misy fitiavan-tena tokony hapetraka”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny vehivavy sady mpikamban’ny birao foibe eo anivon’ny antoko MFM, Rasoaniaina Malalatiana, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fisian’ny mpanao politika mpanohitra sasany tsy manaiky ny valim-pifidianana ben’ny Tanàna […]

Toamasina : 147 ireo antontan-taratasin’ady vita fitsarana tamin’ny andiany faharoa

Nisokatra nanom­boka ny 04 novambra hatramin’ny 16 de­sam­bra 2024, ny fotoam-pitsarana mahakasika ny ady heloka bevava an­diany faharoa. Naha­fahana nanao izany ny ordonnance laharana faha-142-CC/CA/­Toa/14, tamin’ny 11 ok­tobra lasa teo. Navoa­kan’ny filoha voalo­han’ny fitsarana am­bony mpisolo toerana, Raso­avololona Perrault Zafinera izany. 13 ireo mpitsara na mpa­moaka didy misahana ny fotoam-pitsarana. […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 552 ireo nahazoan’i Madaga­sikara fifandraisana sy nampanantena ny hanjifa ny vokatra malagasy, nandritra ny hetsika « Food Ingre­dients Eu­ro­pe » (FIE), ny 19-24 novambra 2024 tany Francfort-Alemaina. Lafo avokoa ny ankamaroan’ny lavanila « bio » ho an’ireo orinasa mpisehatra amin’izany. Hitombo, araka izany, ny vola miditra amin’izy ireo. Voatazona ny 18 000 « palettes » tamin’ny […]

« Sommet de l’énergie » : Hisitrahan’ny rehetra ny angovo azo antoka

Manomboka anio ka haharitra telo andro ny fihaonamben’ireo filoham-panjakana aty Afrika momba ny angovo. Hetsika tanterahana ao Dar Es Salaam, Tanzanie izay handraisan’ny filoham-pirenena malagasy anjara. Anisan’ireo lohahevitra resahana, mandritra ity « Sommet de l’énergie Mission 300 » ity, ho an’ny anio ny fanandratana avo ny tontolon’ny angovo aty Afrika sy ny […]