Hanomboka anio ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe sokajy «sénior» lehilahy. Hiady izany anaram-boninahitra izany ny Malagasy. Efa any an-toerana ireo mpilalao efatra mirahalahy, Racle, Tiana kely, Donald ary i Zigle. Hitodika ao Zenith Dijon, Frantsa avokoa ny mason’ny mpitia fanatanjahantena rehetra manomboka anio, indrindra ireo mpankafy […]
Taratra
Akademia Miaramila Antsirabe : Naseho ambany faneva ny andiany faha-47
Notanterahina tao amin’ny place d’armes de la Garnison d’Antsirabe, ny zoma 29 novambra teo ny fanehoana ambany fanevan’ireo mpianatra ho manamboninahitra andiany mivantana faha-47. Nahavita ny sedra sy ny fataizana amin’ny maha miaramila nandritra ny telo volana izy ireo. Nanome voninahitra ny lanonana ara-miaramila ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny […]
Itaosy: Mpiasan’ny banky nangalatra vola 4 miliara Ariary
Nahodinkodin’ny lehiben’ny banky iray eny Itaosy ny vola mitentina 4 miliara Ar an’ny mpanjifan’io banky io. Tonga nametraka fitoriana ireo niharan’ny halatra sy ny fanodinkodinam-bola. Misy amin’izy ireo no nindrana, nisy kosa nametraka vola tao amin’io banky io. Niakatra teny anivon’ny fampanoavana ny raharaha ka ireo mpanjifa tonga hijoro vavolombelona […]
Antsampanana Brickaville : Mirongatra izaitsizy ny fanolanana
Kaominina ahitana trangana fanolanana matetika ny kaominina Antsampanana Brickaville RN2. Voaporofon’ny antontan-taratasin’ady telo mahakasika fanolanana izay niakatra tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly izany. Voalohany ny antontan-taratasin’ady laharana faha 50-Toa/24 hanenjehana an’i Todizara Eric noho izy tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 8 taona ny 01 […]
INDRAY MIJERY
70 ny antontan-taratasy fangatahana hampianatra eny amin’ny fampianarana ambony amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina, izay hodinihin’ny vaomiera roa : Commission de Référence pour les Formations en Médecine (CRFM) sy ny Commission Nationale d’Habilitation (CNH) eny anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hiandraikitra ny dingana voalohany ny CRFM izay […]