“Andrimpanjakana lehibe ny Antenimierampirenena: tsy fieren’ny mpanao ratsy! Aoka handray ny andraikitra maha depiote amin’ny fahitsiana, fanarahan-dalàna, sy famongorona ny kolikoly”. Io ny fanambarana navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar (TI-MG) tamin’ny tambajotran-tserasera, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny nahavoasaringotra ny depiote voafidy tao Soavinandriana Itasy tamin’ny fikasana hanondrana antsokosoko sokatra. Tsy fitaovana azo […]
Taratra
Mba ho tsara farana
Ny vary lany laoka, hono, no ratsy fiafara. Hanao ahoana izao famaranan-taona izao? Ora sisa no isaina… Misy ny mpanao politika lany atao na efa tsy misy afitsoka amin’izay ketrehina sy tetehina? Na diso paika ka matim-bela… Dia minia manakorontana fotsiny izao. Izay no ahazoana manatratra izay kendrena? Dia […]
Lahateny amin’ny faran’ny taona : Hametraka paikady sy hitondra vahaolana ny filoha Rajoelina
Anisan’ny andrasana amin’izao faran’ny taona izao ny ho lahateny hataon’ny filoha Rajoelina Andry. Tombanana fa hiresaka ny olana sosialy sy ny vina amin’ny taona vaovao ny tenany, ankoatra ny firarian-tsoa ho an’ny vahoaka malagasy. Hanamarika ny taona 2025 ary hambaran’ny filohan’ny Repoblika, rahampitso alina, ny handraisantsika ny fivoriana iraisam-pirenena indroa […]
Toliara : Manomana ny FJEB 2025
Tanterahina ao Toliara, tanànan’ny masoandro, ny 17 ka hatramin’ny 19 avrily 2025, ny fivoriam-ben’ny tanora afrikanina ho an’ny toekarena manga na ny “Forum des jeunes africains sur l’économie bleue” (FJEB). Nisy ny fivoriana savaranonando ho fampahafantarana sy fanentanana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fanomanana sy fanatanterahana izany, ny herinandro teo. Hetsika […]
Mpanondrana harem-pirenena : Hitory sy mangataka sazy henjana ny minisitera
Mitaky ny hampiharana ny sazy henjana amin’ireo mpanondrana ny harena voajanahary ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd). Tsy handefitra amin’ireo minia mandika lalàna ny fitondram-panjakana. «Tsy misy fandeferana ho an’ireo rehetra tafiditra anatin’ny fanararaotana ny harem-pirenena», hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, […]




