Taratra

Fandaharanasa Defis : Mandroso ny fanatanterahana fotodrafitrasa

Vita ny 60% ny fanamboaran-dalàna 2km ao Am­baniala, RN12-Tamboro, anatin’ny kaominina Ambila, distrika Mana­kara, hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra any an-toerana. 30 ha monja sisa ny velaran-tany tsara tondraka ka tsy afaka mamokatra ny lemaka noho ny fahasimban’ny «barrage de dérivation» ao amin’ny reniranon’i Manam­baroha izay tototry ny […]

EDBM : Voatendry ho PCA Randriamandranto Joël

Hitana ny andraikiny vaovao amin’ny maha filohan’ny filankevi-pitantanan’ny PCA, Economic Development Board of Madagascar (EDBM), ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana teo aloha, Randriamandranto Joël. Vita sonia, omaly, teny Antaninarenina, ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny filohan’ny filankevi-pitantanana teo aloha, Rakotomalala Lantosoa, izay voatendry ho masoivohon’i Madagasikara any […]

Firaisamonim-pirenena : Manameloka ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena

Miantso ny hamoahana sazy henjana ho an’ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha fanondranana sokatra antsokosoko miisa 112, tranga niseho teny Ambohibao Antehiroka, ny Firaisamonim-pirenena. Manara-maso amin’ny mety hisian’ny mpanelanelana hanakonana ny raharaha izay manam-porofo ny fisian’ireo olom-boafidy miray tendro amin’ny fandrobana ny harena voajanahary eto amin’ny firenena ny firaisamonim-pirenena. «Ma­na­­mafy ny […]

Mpamaky trano : Naiditra am-ponja ry Tagogo

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, afakomaly, i Tagogo sy ny namany. Jiolahy malaza ratsy amin’ny vaky trano ry zalahy ireto. Na­nomboka ny 15 desambra 2024 teo ny fisamborana nataon’ny zandary. Niainga tamin’ny fahatrarana jiolahy mpamaky trano iray fantatra amin’ny anarana hoe i Tagogo teny Ikianja, fokontany Ambohi­dra­zana, Anjeva Gara, ny […]

Mahasolo: Vehivavy hita faty tao an-tranony

Hita faty tao an-tranony vokatry ny fanafihan-dahalo tao Mahasolo, ny 25 desambra 2024, ny renim-pianakaviana iray. Nahazo fampitam-baovao ny zandary notarihin’ny tobim-paritry ny zandary ao Mahasolo momba ny fisian’ity vonoan’olona feno habibiana ity. Feno ratra ny vatany manontolo. Tonga teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 […]